I Moctar Ouane dia diplômaty sy mpanao pôlitika maliana izay praiminisitra mpisolo toerana tao Maly nanomboka tamin' ny 27 Septambra 2020 hatramin' ny 24 Mey 2021, tamin' ny fitondran' i Bah Ndaw, teo anelanelan' ny fanonganam-panjakana maliana 2020 sy ny fanonganam-panjakana maliana 2021. Teraka tamin' ny 11 Ôktôbra 1955 izy. Izy koa dia efa niasa tao amin' ny governemantan' i Maly tamin' ny naha minisitry ny raharaham-bahiny azy nanomboka tamin' ny May 2004 ka hatramin' ny Avrily 2011.

Moctar Ouane