Mikaela I Kerolariôsy

I Mikaela I Kerolariôsy dia patriarka tao Kônstantinôpla nanomboka tamin' ny taona 1043 ka hatramin' ny 1059. Teraka tamn' ny taona 1000 ary maty tamin' ny 21 Janoary 1059 izy. Atao amin' ny teny grika hoe Μιχαήλ Α΄ Κηρουλάριος / Mikhaêl I Kêroularios izy.

Fametrahana amin' ny seza fiandrianana an' i Mikaela Kerolariôsy

Ny fifandirany tamin' ny papa Leô IX momba ny fanaon' ny fiangonana tamin' ny taonjato faha-11 dia nitana anjara toerana tamin' ny fisehoan-javatra samihafa nitarika ho amin' ny Fisaraham-bazana Lehibe tamin' ny taona 1054.