I Leô IX, na Md Leô IX dia papa tao amin' ny Eglizy Katôlika Rômana nanomboka tamin' ny 12 Febroary 1049 mandra-pahafatiny tamin' ny 19 Avrily 1054. I Bruno von Egisheim-Dagsburg no anarany vao teraka tamin' ny 21 Jona 1002 tao amin' ny toerana tsy fantatra ao amin' ny Kôntean' i Dabo na ao amin' ny Kôntean' i Eguisheim izay mbola iadian-kevitra, ary maty tamin' ny 19 Avrily 1054 tao Rôma izy.

Papa Leo IX

Avy amin' ny fianakaviana andriana any Alsace i Leô IX. Evekan' i Toul aloha, avy eo voafidy ho papa tamin' ny Desambra 1048, avy eo napetraka teo amin' ny fiketrahan' ny papa tamin' ny 12 Febroary 1049 teo ambany fitarihan' ny emperora Henri III.

I Leô IX dia heverina ho anisan' ireo papa manan-danja indrindra ara-tantara tamin' ny Andro Antenatenany. Nandray anjara tamin' ny Fisaraham-bazana Lehibe tamin' ny taona 1054, izay heverina ho kihon-dalana nanasaraka tamin' ny fomba ôfisialy ny Eglizy Katôlika sy Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana.

Mpandeha lavitra izy ary niasa mafy ho an' ny fandriampahalemana. Nanamarika ny fiantombohan' ny fanavaozana gregôriana ny fotoana nitondrany. Eken' ny Eglizy Katôlika ho olo-masina izy ka ankalazaina amin' ny fomba litorjika isaky ny 19 Avrily.

Jereo koa hanova