I Menachem Begin (hebreo: מנחם בגין‎) dia mpitondra fanjakana israeliana, mpikambana ao amin' ny Gahal, praiminisitra hatramin' ny Jona 1977 ka hatramin' ny Ôktôbra 1983. Teraka tamin' ny 16 Aogositra 1913 tao Brest-Litovsk izy ary maty tamin' ny 9 Marsa 1992 tao Jerosalema.

Menachem Begin

Nitarika ny governemanta israeliana izy tamin' ny fifampiraharahana momba ny fifanaraham-pandriam-pahalemana tao Camp David (Etazonia), niaraka tamin' ny filoha ejipsiana Anwar el-Sadat ary teo ambany fanelanelanana amerikana nataon' ny filoha Jimmy Carter. Ireo fifanarahana ireo, izay nanamafy ny foto-kevitra ara-diplômasia momba ny fifanakalozana "Fari-tany atakalo Fandriam-pahalemana", dia samy nahazo ny loka Nobel momba ny fandriam-pahalemana tamin' ny taona 1978 ireto mpanao fifampiraharahana ireto. Nitohy ny fifampiraharahana mandra-pahatongan' ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-pandriam-pahalemana teo amin' i Israely sy i Ejipta tamin' ny taona 1979.