Ny Melkita dia Kristiana sy fiangonana kristianina tatsinanana isan-karazany manaraka fombam-pivavahana bizantina any Azia Andrefana. Avy amin' ny fototeny semitika antenatenany m-l-k, izay midika hoe "mpanjaka", io teny io, izay nilazana ny tsy fivadihana amin' ny emperora bizantina. Ny teny hoe "malkita" dia nahazo hevitra ara-pivavahana ka lasa anarana niantsoana ny Kristiana izay nanaiky ny pôlitika ara-pivavahan' ilay empira, izay mifototra amin' ny fanapahan-kevitry ny Kônsily tao Kalkedôna na Klsedoana (tamin' ny taona 451).

Tany am-boalohany, nandritra ny Andro Antenatenany, ny Melkita dia samy nampiasa ny fiteny grika kôine sy ny fiteny arameana (fiteny siriaka klasika sy fiteny sirô-palestiniana) teo amin' ny fiainany ara-pivavahana, ary tamin' ny voalohany dia nampiasa ny fombam-pivavahana antiôkiana tao amin' ny litorjiany, saingy taty aoriana (taonjato faha-10 sy faha-11) dia nanaiky ny fombam-pivavahana kônstantinôpôlitana, ary nampiditra ny fiteny arabo amin' ny ampahany ao amin' ny fanao litorjika.

Rehefa ampiasaina ho anaram-piangonana ny hoe "Melkita" dia nanana heviny roa miavaka. Ilazana ny Kristiana Ôrtôdôksa Grika any Atsinanana Akaiky àry andian-teny hoe "Melkita Ôrtôdôksa", fa ny andian-teny hoe "Melkita Katôlika" kosa dia ilazana ny mpanaraka ny Eglizy Katôlika Melkita. Tsy manana heviny ara-poko ny anarana hoe Melkita, fa ampiasaina ao anatin' ny anaran' ny antokom-pivavahana, indrindra ampiasain' ny manam-pahaizana amin' ny fanondroana vondrom-poko ara-pivavahana.