Ny Marchica Med dia tetikasa marôkana fanajariana ny toerana misy ny riakasian' i Marchica (na riakasian' i Nador). Izany riakasia izany dia ao amin' ny morontsiraka mediteraneanan' i Marôka, ao Rif, akainkin' ireo tangoron-tanàna ao Nador sy Melilla, 68 km miala an' i Aljeria ao avarany sy 45 km ao atsimony, ao akaikin' i Kariat Arekmane.

I Beni Ansar sy ny riakasian' i Nador, jerena avy eny ambony

Tafiditra ao anatin' ny drafitra maharitra fito taona eo anelanelan' ny taona 2014 sy 2020 izany. Tamin' ny faran' ny taona 2017, ny fampiasam-bola natao dia nahatratra 3,5 arivo tapitrisa DH. Mandrakotra velaran-tany 11 500 hektara ilay riakasia, dongom-pasika mirefy 24 km ary 7 km ny sakany. Ny tanjona dia ny hamerenana amin' ny toerana teo aloha ny rano maloton' i Nador, toeram-ponenan' ny vorona mpifindra monina mandalo ao amin' ilay riakasia. Tamin' ny taona 2016, ny foto-kevitr' ilay tetikasa dia nentina tany Kôtidivoara, avy eo taty Madagasikara (tamin' ny fanarenana ny Lakandranon' ny Pangalana).