I Vesovio na Tendrombohitra Vesovio dia afotroa na volokano italiana izay manana haavo 1 281 m, hita eo amoron'ny helodranon'i Napoly, ao atsinanan'io tanàna io. Izy irery no volokano any Eoropa an-tanibe izay nipoaka tao anatin'ny zato taona farany, ka tamin'ny taona 1944 no nipoahan'izany farany. Ny anaran'io afotroa io amin'ny teny latina dia Vesuvius mons , fa amin'ny teny italiana koa dia monte Vesuvio.

Ny tendrombohitra Vesovio jerena avy eny amin'ny helodranon'i Napoly.

Ny fipoahan'ny volkano Vesovio no niteraka ny faharavan'ireto tanàna ireto: i Popey, i Herkolanoma, i Oplontisy ary i Stabia. Nalevin'ny oran-davenona sy oram-potaka tamin'ny taona 79 ireo tanàna ireo, ary voatahirin'izany hatramin'izao androntsika izao araka ny endriny tranainy. Nipoaka imbetsaka io volokano io nandritra ireo taonarivo faramparany sady isan'ireo volokano mamono sy mandrava indrindra maneran-tany noho ny fipoahany mahery vaika sy nnoho ny fisian'ny olona marobe monina eo akaikiny.