Avesta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-18:
 
== Tantaran'ny Avesta ==
Taonjato enina tal. J.K. no niforonan’ny fivavahana zoroastriana (na [[mazdeisma]]) ka ny Avesta dia maneho izany fivavahana izany ho ny fivavahan’ny [[Akemenida]], dinastian’ireo mpanjaka persiana, dia i [[Kirosy Lehibe]] sy i [[Dariosy I]] ary i [[Kserksesy I]]. Taorian’ny fahazoan’ny tafik’i [[Aleksandra Lehibe]] an’i Persia tamin’ny taonjato faha-4 tal. J.K. dia nihena ny mpanaraka ny zoroastrisma sady maro ireo boky masiny no very. Taorian’ny fotoana nampahazo aina indray an’io fivavahana io dia saika fongotra izany fivavahana izany tamin’ny taonjato faha-7 taor. J.K. noho ny nataon’ny Miozolmàna. Ny ankamaroan’ireo Zoroastriana dia noterena hanaiky ny [[fivavahana silamo]] sy ny [[Kor'any|Kor’any]]. Maro ireo izay nandositra sy nitady fialofana tany India ka tany no nitondran’izy ireo ny sisa tamin’ny soratra masin’ny fivavahany. Nisy mpino vitsy nitoetra ihany tany Persia na dia nisy aza ny fanenjehana, ka nanohy ny fanarahana ny zoroastrisma. Ireo vahoaka zoroastriana roa tonta ireo (dia ny any India sy ny any Persia/Iràna) no niandraikitra ny fitehirizana ny Avesta araka ny endrika ahafantarana io boky io ankehitriny.  
 
== Jereo koa ==
 
* [[Zôrôastrisma]]
* [[Mazdeisma]]
* [[Soratra Masina]]