Teôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Marika: Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''teôlôjia''' dia taranja na vondron-taranja atao hianarana sy hahalalana ny amin'[[Andriamanitra (tokana)|Andramanitra]], na ny amin'ny hoe "[[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]]", amin'ny alalan'ny fandraisan'anjaran'ny fisainan'olombelona ho enti-manazava sy handaminana bebe kokoa izay zavatra fantatra tamin'ny alalan'ny [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràna]] ka miantefa amin'ny finoana.
 
Na dia tao amin'ny [[Fivavahana kristianna|fivavahana kristiana]] aza no tena nahafantarana ny fanaovana teolojia dia maro koa ireo fivavahana manao telojiateolojia ka isan'izany ny fivavahana [[silamo]] sy ny [[jodaisma]]. Tsy ny tontolon'ny fivavahana ihany no ahitana teolojia fa ahitana azy koa ny taranja [[filôzôfia]] toy ny sampan-taranja [[metafizika]] (dia ilay atao hoe ôntô-teôlôjia). Tsy ny finoana rehetra koa tsy akory no manaiky ny fanaovana teolojia fa misy ireo izay mitsipaka an'izany ka mihevitra fa tsy mety hifangaro amin'ny zavatra momba ny finoana na hanampy zavatra hafa tsy araka ny fanambaràna tokony hiantefa amin'ny finoana ny teolojia.
 
Amin'izao fotoana izao dia maro ny sekoly sy oniversite ianarana teôlôjia nefa ny sasany dia tsy miankina amin'antokom-pivavahana ka ny mpianatra sy ny mpampianatra ao dia tsy voatery ho olona mino.
 
Fomba fiasa voasaina<ref name=":0"><small>''Voasaina'': fr: "rationnel"</small></ref> no entina manao ny fanakarana ny momba an'Andriamanitra sy ny manodidina azy ao amin'ny teolojia hany ka nisy fotoana tsy niaingan'ny mpanao teôlôjia tamin'ny [[Soratra Masina]], izay vokatry ny fanambaràna, hanakarana ny tontolon'Andriamanitra fa tamin'ny fisainany irery ihany.
 
== Fiforonan-teny ==