Fanambaràna (finoana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-8:
Fomban'ny fanambaràna ny sady manafina ny zavatra asehony, ka mitarika izay olona nanakainky azy hanatona ny fivavahana nampita izany fanambaràna izany, ka mampihemotra hatrany ny fotoana hahafantarana manontolo ny tontolon' Andriamanitra.
 
== Ny fanambaràna, amin'ny fivavahana monoteista ==
 
=== Ny fanambaràna, amin'ny jodaisma ===
Ao amin'ny jodaisma, araka ny [[Bokin'ny Eksaody]] (na [[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]]) ao amin' ny [[Baiboly]], dia fanambaràna ny fahitan' i Môizy (na [[Mosesy]]) ny roimemy mirehitra nefa tsy levona, sy ny nandrenesany ny feon' Andriamanitra avy tao amin' izany afio izany. Fanambaràna koa ny fivoahan' ny [[Zanak'i Israely]] avy tany Egipta. Zava-dehibe eo amin' ny finoan' ny [[Jiosy]] ny fanambaràna nataon' ny [[Mpaminany (sokajy ao amin'ny Baiboly hebreo)|mpaminany]].
 
=== Ny fanambaràna, amin'ny kristianisma ===
[[Sary:Saint John on Patmos.jpg|vignette|Ny fahitan'i Joany tao Patmosy|233x233px]]Mino ny fisian' ny fanambaràna ankapobeny ny [[Kristianisma|Kristiana]] sady mino koa ny fanambaràna manokana. Ny fanambaràna ny fitiavan' Andriamanitra ny olona sy ny fanambaràna ny [[famonjena]] azy ireo dia [[Fahatongavana ho nofo (kristianisma)|tonga nofo]] ao amin' i tenan'i [[Jesoa Kristy]], araka ny ambaran' ny [[Testamenta Taloha]] izay hazavaina amin' ny alalan' ny [[Testamenta Vaovao]] (sy ny [[Lovam-pinoana]] ary ny fahefam-piangonana, ao amin' ny [[katolisisma]] sy ny [[kristianisma ortodoksa]]).
 
Izany fanambaràna izany dia ampahatsiahivina mandritra ny fanompoam-pivavanana manaraka [[litorjia]], ary ho tonga amin' ny fara tampony amin' ny [[Fiaviana fanindroany|fiverenan' i Jesoa indray]] izay fisehioan' Andriamanitra tsy misy takona, atao hoe [[parosia]].
 
=== Ny fanambaràna, amin'ny finoana silamo ===
[[Sary:Mohammed receiving revelation from the angel Gabriel.jpg|vignette|Ny Mpaminany Mohamady mandray ny Kor'any avy amin'ny anjely Gabriela. Notsoahana tao amin'ny ''Jami' al-Tawarikh'' (''Tantaran' izao tontolo izao'') nataon'i Rashid al-Din, Tabriz, Persia, taona 1307.|159x159px]]
Ny fanambaràn' Andriamanitra dia mitana anjara toerana lehibe eo amin' ny [[finoana silamo]]. Ny filaminana misy eo amin' ny zavaboary dia fanambaràna ankapobeny koa amin' ny Silamo, na dia anteriny ny fanambaràna manokana azon' ny olona sasany manam-pifandraisana akaiky kokoa amin' Andriamanitra.
 
Amin' ny mpino silamo dia fanambaràna ny nadrenesan' i [[Mohamady]] feon-dakolosy niova ho teny. Milaza ny [[Kor'any]] fa nambaran' Andriamanitra tenany ny teny tsirairay sy ny litera tsirairay ao aminy. Mino ny Miozolmana fa nambarany amin' i Mohamady ny hafatra farany ho an' ny olombelona tamin' ny alalan' ny anjely Jibrily (na [[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]]). Mpaminany farany i Mohamady ka ny fanambaràna azony dia nomena azy amin' ny endrika boky masina, dia ny Kor'any. Ny Kor'any no fanambaràna tongalafatra ny amin' Andriamanitra amin' ny olombelona, izay tsy diso mandra-pahatongavan' ny andron' ny [[fitsanganan-ko velona]] izay atao hoe [[Fitsarana farany|andron'ny fitsarana farany]] koa.
 
=== Ny fanambaràna, amin'ny kristianisma ===
[[Sary:Saint John on Patmos.jpg|vignette|Ny fahitan'i Joany tao Patmosy]]Mino ny fisian' ny fanambaràna ankapobeny ny [[Kristianisma|Kristiana]] sady mino koa ny fanambaràna manokana. Ny fanambaràna ny fitiavan' Andriamanitra ny olona sy ny fanambaràna ny [[famonjena]] azy ireo dia [[Fahatongavana ho nofo (kristianisma)|tonga nofo]] ao amin' i tenan'i [[Jesoa Kristy]], araka ny ambaran' ny [[Testamenta Taloha]] izay hazavaina amin' ny alalan' ny [[Testamenta Vaovao]] (sy ny [[Lovam-pinoana]] ary ny fahefam-piangonana, ao amin' ny [[katolisisma]] sy ny [[kristianisma ortodoksa]]).
 
Izany fanambaràna izany dia ampahatsiahivina mandritra ny fanompoam-pivavanana manaraka [[litorjia]], ary ho tonga amin' ny fara tampony amin' ny [[Fiaviana fanindroany|fiverenan' i Jesoa indray]] izay fisehioan' Andriamanitra tsy misy takona, atao hoe [[parosia]].
 
== Fanambaràna mitohy sy fanambaràna miandalana ==