Ahora Mazda: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Naqshe Rostam Darafsh Ordibehesht 93 (35).JPG|vignette|304x304px]]
I '''Ahora Mazda''' dia ilay [[Andriamanitra (anarana iombonana)|Andriamanitra]] lehibe ivavahana ao amin'ny [[mazdeisma]]. Avy amin'ny anarana amin'ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana taloha]] hoe ''Auramazdâ'' izay midika hoe "Tompon'ny Fahendrena" io anarana io.
 
Taorian'ny fanavaozana ny fivavahana mazdeana nataon'i [[Zaratostra]] (na Zoroastra) dia lasa [[Andriamanitra tokana]] sy tsy aseho sary no mihoa-draha ho an'ny [[zoroastrisma]] i Ahora Mazda. Araka ilay boky atao hoe ''[[Avesta]]'' dia i Ahora Mazda no ilay Fanahy fara tampony niteraka ireo foto-javatra roa mifanohitra, dia i [[Spenta Mainio]] (''Spenta Mainyu'') ("Fanahy Masina") sy i [[Angra Mainio]] (''Angra Mainyu'') ("Fanahy Ratsy"). Mihoatra ny zavatra rehetra azo tsapain-tanana ao amin'ny famoronana (izany hoe ny zavaboary rehetra) i Ahora Mazda. Izy no rain'i Atara (''Atar'') ("Afo masina"), izay miseho amin'ny alalan'ny Afo voalohany indrindra izay fahazavam-baratra, tsy azo tsapaina, nefa nialoha sady niteraka ny fanazavan-danitry ny afo-masoandro sy ny afon- kintan'ny Tontolo.
 
Amin'ny [[zervanisma]] dia i [[Ôrmozda]] (''Ormudz'') (fanafohezana ny hoe ''Ahora Mazda'' amin'ny [[Fiteny pelevy|teny pelevy]]) sy i [[Arimàna]] (''Ahriman'') (fanafohezana ny hoe ''Angra Mainio'' amin'ny [[teny pelevy]]) dia anjakan'i Zervàna (ny "Fotoana tsy misy fetrany"). I Ôrmozda dia rafin'i Arimàna, ilay anehoan'ny Zoroastriana ny [[Ratsy]]. Izy no mpitondra ny arta (izany hoe ny fahendrena sy ny fahamarinana).
 
Amin'ny zoroastrisma, ny Ashema Senta ("Masina tsy Mety maty") na andriamanitra voalohany ao amin'ny mazdeisma dia lasa ireo teny enti-milaza ny Tompo Ahora, dia ireto: