Fanambaràna (finoana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
Ny [[Fanambaràna (finoana)|'''fanambaràna''']] dia fahalalana azo mivantana amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] ka mety ho amin'ny alalan'ny fisehoan' Andriamanitra izany na ny fahenoana ny teny mivoaka avy ao aminy na ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandry]] azon'ny [[mpaminany]] na ny fanomezany lahateny efa voasoratra rahateo avy any aminy na fisehoan-javatra tsy fahita eo amin'ny zavaboary. Atao hoe fivavahana vokatry ny fanambaràn'Andriamanitra ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] ary ny [[finoana silamo]] nefa tsy ireo fivavanana telo ireo ihany no mahalala ny atao hoe "fanambaràna".
 
Misy ny atao hoe fanampabarànafanambaràna ankapobeny, izay fahalalana an'Andriamanitra ampitain'ny zavaboary, izay fahita matetika amin'ny [[fivavahana tatsinanana]] izany. Misy koa ny fanambaràna manokana, izay fahafantarana an'Andriamanitra amin'ny alanan'ny [[Fahitana (finoana)|fahitana]] sy ny [[nofy]] ary ny zava-mitranga amin'ny olona tsirairay na amin'ny tantara.
 
Mety miaraka amin'ny fanambaràna [[Eskatolojia|momba ny fiafaran'izao rehetra izao]] izany na ahitana fananarana ara-pitondran-tena koa ka mitana ny olona hiova finoana noho ny fahantomotry ny farany izay ambaran'ny fanmbaràna, ary mamporisika azy hitondra tena raka izany.