Memfisy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tanàna tao Ejipta tamin'ny Andro Taloha
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Memphis200401.JPG|vignette|264x264px|Sisam-paharavan'ny tanànan'i Memfisy: ireo andry naorina tamin'ny andron'i Ramsesy II.]]
I '''Memfisy''' dia renivohitr'i [[Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Ejipta]] tamin'ny [[Andro Taloha]] izay miorina ao am-tampon'ny [[vinanin'i Nily]], eo amin'ny 30 km latsaka ao atsimon'i [[Kairo]] ankehitriny. Amin'y teny arabo dia atao hoe مَنْف‎ / ''''Manf'''', ary amin'ny teny grika hoe Μέμφις / ''Memfis'' io tanàna io. Ny sisam-paharavany dia hita ao akaikin'ny tanànan'i Mit-Rahineh sy i Helwan, ao atsimon'i [[Kairo]].
 
Tamin'ny taonarivo faha-4 tal. J.K dia nampanamboatra manda fiarovana teo amin'ny toerana iorenan'i Memfisy ny mpanjakan'i Ejipta (izay mety ho i Menesy mpanorina ny dinastia voalohany), izay nantsoina hoe ''Ineb Hedj'' ("rindrina fotsy"). Tao no toeram-ponenan'ny [[faraôna]] tao amin'ny [[Empira Voalohany tao Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Empira Voalohany]] (teo anelanelan'ny taona 2649 sy 2152 tal. J.K.) ka niroborobo io tanàna io nandritra izany vanimpotoana izany. Nanorina ny [[piramida]] manodidina an'i Memfisy ireo faraôna, ka voaorina tamin'izany ny piramidan'i Sakarà (''Sakkarah''), ny an'i Meidoma (''Meidum''), ny an'i Dasora (''Dahshur'') ary ny an'i Gizà (''Giza'').