Meka (Arabia Saodita): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-2:
I '''Maka''' dia tanàna any amin'ny tapany andrefan'i [[Arabia Saodita]], miorina 80 km miala ny [[Ranomasina Mena]], renivohitry ny faritanin'i Maka. Amin'ny [[teny arabo]] izy dia atao hoe مكة / ''Makka''. Ny Malagasy sasany dia manonona hoe ''Lameka'' na ''Lameky'' (manakatra ny fanononana fratsay hoe ''La Mecque'').
 
Araka ny lovantsofina silamo dia tao no nahaterahan'ny mpaminany [[Mohamady]] tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-6, ao no misy ny [[moskea]] ''Masjid al-Haram'' ("Moskea Masina") izay misy ny [[Kaaba]] (arabo: الكعبة / ''al-Ka'ba''). Ny lovantsofina silamo dia milaza ihany koa fa tamin'ny andron'i Ibrahima ([[Abrahama (patriarka)|Abrahama]]) no nanorenana ny tanàna, ka tanàna masina indrindra i Maka noho izany. Tsy azon'ny lehilahy tsy miozolmàna sy ny vehivavy (na dia silamo) idirana ny ao.
 
Tsy tena mazava ny tantara talohan'ny vanimpotoana miozolmàna momba an'i Maka. Toeram-panaovana [[fivahiniana masina]] (arabo: حَجّ / ''hajj'') ny ao Maka, ka indraimandeha isan-taona no fanaovana izany hatramin'ny taonjato faha-7, izay mahavory vahiny an-tapitrisany avy amin'ny sampan'ny finoana silamo, avy amin'ny firenena misy Miozolmàna eran'izao tontolo izao, hatramin'ny faramparan'ny taonjato faha-20. Manandrify an'i Maka koa no itodihan'ny mpino silamo rehefa manatanteraka ny vavaka atao isan'andro.