Ombiasa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''ombiasa''' na '''ombiasy''' na '''mpimasy''' dia olona misahana ny fitsaboana sy ny fiarovana amin'ny fanahy ratsy na ny [[ody]] ratsy eo amin'ny fiarahamonina malagay mandala ny [[Fivavahan-drazana malagasy|finoan-drazana malagasy]]. Maro ny zavatra sahanin'ny ombiasa, ka ao ny fitsaboana ny aretin'ny vatana na ny aretin'ny saina amam-panahy, ny famantarana ny hoavy sy ny zavatra tsy hita. Atahorana koa ny ombiasa satria mahay mamorika na mamosavy amin'ny alalan'ny fampiasana ody ratsy. Ny maha ombiasa dia asa fivelomana ho an'ny ombiasa maro. Olona mahafehy ny fahalalana ny hasin'ny zava-maniry manodidina azy ny ombiasa ka manam-pahaizana momba ny [[raokandro]]. Mety ho sady mpitazona ody ny ombiasa no [[Fanandroana malagasy|mpanandro]] sy [[Sikidy malagasy|mpisikidy]] ary mpanolo-tsaina eo amin'ny fiaraha-monina. Misy koa anefa ireo inoan'ny olona fa mitazona ody ratsy hamorehana na ho enti-mangalatra sns. Sady hajaina noho izany ny ombiasa no atahorna.
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-10:
 
=== Ombiasa mpisikidy ===
Isan'ny ahafantarana ny ombiasa malagasy ny [[Sikidy malagasy|sikidy]]. Hatonin'ny olona te hahafanta-javatra miafina na saro-pantarina ny ombiasa mpisikidy. Manatona mpisikidy ny olona hanamboatra trano, handeha lavitra, hamantatra na hanenjika ny olona nangalatra ny fananany, hioty ny vokatry ny famboleny, hampaka-bady, marary, te hahafantatra ny fomba hampitomboany ny hareny , sns. Ny mpandinika ny tantaran'ny sikidy malagasy dia mihevitra fa ny [[Antemoro]] no nahay nisikidy voalohany indrindra amin'ny Malagasy.
 
=== Ombiasa mitazona ody ===
Andalana faha-17:
=== Ombiasa mpitsabo amin'ny zavaboary ===
Mahafantantra sady mampiasa ny zava-maniry isan-karazany (atao hoe ''volohazo'') ny ombiasa mba hanasitranany ny aretina. Tsy afa-misaraka amin'ny fiantsoana ny [[Razana (finoana malagasy)|razana]] sy ny fanahy hafa anefa izany mba hahomby kokoa, satria maro amin'ireo aretina tiana hositranina no inoana fa manam-pifandraisana amin'ny tontolon'ny fanahy, ka heverina fa mety sazy na fampitandremana avy amin'ny razana na avy amin'ny [[Zanahary]] na avy amin'ny hery tsy hita maso hafa ilay aretina. Nampiasain'ny ombiasa hitsaboany koa ny zavatra hafa toy ny rora, ny dinitra, ny volo, ny taolana, ny hodi-biby, ny volom-borona, ny tany, ny vato, sns. Noho ny fanaovana raokadro sahanin'ny ombiasa dia maro amin'ny [[Kristianisma ao Madagasikara|Malagasy kristiana]] ny tsy tia mampiasa zavamaniry hitsaboana satria ataony fa fivavahana amin'ny [[devoly]] na [[demony]] izany.
 
== Tahirin-kevitra ==
 
* Renel, Charles ''Les amulettes malgaches Ody et Sampy''. Notice BNF n°: FRBNF43591087