Ombiasa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-7:
 
=== Ombiasa mpanadro ===
Maro amin'ny ombiasa malagasy no mahay [[Fanandroana malagasy|manandro]]. Ampiharany ny fifandraisan'ny fotoana ahatanterahan'ny zavatra iray amin'ny toerana sy ny toetran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, mba hahafantarany ny [[vintana]] mifanandrify amin'izany sy ny mifanohitra amin'izany. Ilain'ny Nataolo malagasy sy ny Malagasy maro ankehitriny ny manontany ombiasa mpanandro alohan'ny hiterahana, hanamboarana trano na fasana, hanaovana hasoavana na fanambadiana, hisantarana na hitokanana zavatra, handevina sns.
 
=== Ombiasa mpisikidy ===
Isan'ny ahafantarana ny ombiasa malagasy ny [[Sikidy malagasy|sikidy]]. Hatonin'ny olona te hahafanta-javatra miafina na saro-pantarina ny ombiasa mpisikidy. Manatona mpisikidy ny olona hanamboatra trano, handeha lavitra, hamantatra na hanenjika ny olona nangalatra ny fananany, hioty ny vokatry ny famboleny, hampaka-bady, marary, te hahafantatra ny fomba hampitomboany ny hareny , sns. Ny mpandinika ny tantaran'ny sikidy malagasy dia mihevitra fa ny [[Antemoro]] no nahay nisikidy voalohany indrindra amin'ny Malagasy.
 
=== Ombiasa mitazona ody ===
Andalana faha-16:
 
=== Ombiasa mpitsabo amin'ny zavaboary ===
Mahafantantra sady mampiasa ny zava-maniry isan-karazany (atao hoe ''volohazo'') ny ombiasa mba hanasitranany ny aretina. Tsy afa-misaraka amin'ny fiantsoana ny [[Razana (finoana malagasy)|razana]] sy ny fanahy hafa anefa izany mba hahomby kokoa, satria maro amin'ireo aretina tiana hositranina no inoana fa manam-pifandraisana amin'ny tontolon'ny fanahy, ka heverina fa mety sazy na fampitandremana avy amin'ny razana na avy amin'ny [[Zanahary]] na avy amin'ny hery tsy hita maso hafa ilay aretina. NAmpiasainNampiasain'ny ombiasa hitsaboany koa ny zavatra hafa toy ny rora, ny dinitra, ny volonvolo, ny taolana, ny hodi-biby, ny volom-borona, ny tany, ny vato, sns. ohoNoho ny fanaovana raokadro nosahanninsahanin'ny ombiasa dia maro amin'ny [[Kristianisma ao Madagasikara|Malagasy kristiana]] ny tsy tia mampiasa zavamaniry hitsaboana satria ataony fa fivavahana amin'ny [[devoly]] na [[demony]] izany.