Ombiasa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Mpitsabo sy mpisikidy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''ombiasa''' na '''ombiasy''' na '''mpimasy''' dia olona misahana ny fitsaboana sy ny fiarovana amin'ny fanahy ratsy na ny [[ody]] ratsy eo amin'ny fiarahamonina malagay mandala ny [[Fivavahan-drazana malagasy|finoan-drazana malagasy]]. Maro ny zavatra sahanin'ny ombiasa, ka ao ny fitsaboana ny aretin'ny vatana na ny aretin'ny saina amam-panahy, ny famantarana ny hoavy sy ny zanatrazavatra tsy hita. Atahorana koa ny ombiasa satria mahay mamorika na mamosavy amin'ny alalan'ny fampiasana ody ratsy. Ny maha ombiasa dia asa fivelomana ho an'ny ombiasa maro. Olona mahafehy ny fahalalana ny hasin'ny zava-maniry manodidina azy ny ombiasa ka manam-pahaizana momba ny [[raokandro]]. Mety ho sady mpitazona ody ny ombiasa no [[Fanandroana malagasy|mpanandro]] sy [[Sikidy malagasy|mpisikidy]] ary mpanolo-tsaina eo amin'ny fiaraha-monina. Misy koa anefa ireo inoan'ny olona fa mitazona ody ratsy hamorehana na ho enti-mangalatra sns.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''ombiasa'' na ''ombiasy'' dia mety avy amin'ny fanakambanana ny teny hoe ''ona'' (izay midika hoe "olona" amin'ny [[fiteny malagasy]] [[betsileo]]), sy ny hoe be ary ny hoe hasina, ka midika ara-bakiteny hoe "olona be hasina".
 
== Ny asan'ny ombiasa ==
 
=== Ombiasa mpanadro ===
Maro amin'ny ombiasa malagasy no mahay manandro. Ampiharany ny fifandraisan'ny fotoana ahatanterahan'ny zavatra iray amin'ny toerana sy ny toetran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, mba hahafantarany ny [[vintana]] mifanandrify amin'izany sy ny mifanohitra amin'izany. Ilain'ny Nataolo malagasy sy ny Malagasy maro ankehitriny ny manontany ombiasa mpanandro alohan'ny hiterahana, hanamboarana trano na fasana, hanaovana hasoavana na fanambadiana, hisantarana na hitokanana zavatra, handevina sns.
 
=== Ombiasa mpisikidy ===
Isan'ny ahafantarana ny ombiasa malagasy ny sikidy. Hatonin'ny olona te hahafanta-javatra miafina na saro-pantarina ny ombiasa mpisikidy. Manatona mpisikidy ny olona hanamboatra trano, handeha lavitra, hamantatra na hanenjika ny olona nangalatra ny fananany, hioty ny vokatry ny famboleny, hampaka-bady, marary, te hahafantatra ny fomba hampitomboany ny hareny , sns. Ny mpandinika ny tantaran'ny sikidy malagasy dia mihevitra fa ny [[Antemoro]] no nahay nisikidy voalohany indrindra amin'ny Malagasy.
 
=== Ombiasa mitazona ody ===
Ahafantarana indrindra ny ombiasa koa ny fitazomana [[ody]], ka ny mahery indrindra amin'izany ody izany dia ny [[mohara]] na [[Sampy (malagasy)|sampy]]. Mety atao hanasoavana ny olona sy ny fiarahamonina ny ody, ka ampiasaina hanasitranana, handroahana ny fanahy ratsy, hiarovana amin'ny fisomparana, hampitomboana ny harena sns. Mety azo ampiasaina amin'ny fanaovan-dratsy koa ny ody, toy ny famorehana olona mba harary na hofaty, na mba tsy hahomby eo amin'ny fiainana. Inoan'ny Malagasy ny fisian'ny ody fitia, ny ody varatra, ny ody havandra, sns.
 
=== Ombiasa mpitsabo amin'ny zavaboary ===
Mahafantantra sady mampiasa ny zava-maniry isan-karazany (atao hoe volohazo) ny ombiasa mba hanasitranany ny aretina. Tsy afa-misaraka amin'ny fiantsoana ny razana anefa izany mba hahomby kokoa, satria maro amin'ireo aretina tiana hositranina no inoana fa manam-pifandraisana amin'ny tontolon'ny fanahy, ka heverina fa mety sazy na fampitandremana avy amin'ny razana na avy amin'ny [[Zanahary]] na avy amin'ny hery tsy hita maso hafa. NAmpiasain'ny ombiasa hitsaboany koa ny zavatra hafa toy ny rora, ny dinitra, ny volon, ny taolana, ny hodi-biby, ny volom-borona, ny tany, ny vato, sns. oho ny fanaovana raokadro nosahannin'ny ombiasa dia maro amin'ny [[Kristianisma ao Madagasikara|Malagasy kristiana]] ny tsy tia mampiasa zavamaniry hitsaboana satria ataony fa fivavahana amin'ny [[devoly]] na [[demony]] izany.