Tetiandro persana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tetiandro
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''tetiandro persana''' na '''tetiandro jalaly''' na '''tetiandro iraniana''' dia tetiandro [[Tetiandro manara-masoandro|manara-masoandro]] ampiasaina indrindra ao [[Iràna]] sy ao [[Afganistàna]]. Avy amin'ny tetiandro zoroastriana nampiasaina tany [[Persia]] talohan'ny fahatongavan'ny [[finoana silamo]] tao ny tetiandro persana. Marina kokoa noho ny [[tetiandro gregoriana]] ny tetiandro persana noho ny fomba fampifandimbiasany ny taona misy 365 andro sy ny taona misy andro 366 andro.
 
Isaina ma,nomboka amin'ny andron'ny [[Hijra]] ny taona, izany hoe manomboka amin'ny taona 622 amin'ny [[tetiandro joliana]], nefa ny 16 Jolay izay heverina araka ny lovantsofina fa nisehoan'ny Hijra dia nosoloana ny ekinoksan'ny [[lohataona]] (any amin'ny ila-bolantany avaratra). Noho izany, ny andro voalohany amin'ny volana ''Farvardin'' amin'ny taona 1 dia ny 19 Marsa 622 amin'ny tetiandro joliana, satria ny [[ekinoksa]]<nowiki/>n'ny lohataona dia miseho iray andro mialoha amin'ny 8 ora sy 56 minitra amin'ny famantaranoran-jiaby, izany hoe amin'ny 12 ora sy 21 minitra amin'ny famantaranoran'i [[Teheran|Teheràna]].
 
== Ny volana ao amin'ny tetiandro persana ==
Ny volana roa ambin'ny folo ao amin'ny tetiandro persana dia mitanila raha mitaha amin'ireo volana gregoriana. Manombolaka amin'ny [[lohataona]] ny taona, ka mifanandrify amin'ny 21 Marsa izany. Mifanandrify amin'ny fizaràn'ny [[zodiaka]] ny volana. Ao [[Afganistàna]] ohatra dia ny anaran'ny [[evan'ny zodiaka]] amin'ny [[teny arabo]] no anaran'ny volana, fa ny ao [[Iràna]] kosa ireo volana ireo dia mitondra anarana avy amin'ny teny ampiasaina ao amin'ny [[zoroastrisma]]. Ireto omena manaraka ireto ny anarana iranianan'ny volana tsirairay. Mety hisy fiovana ny daty tena izy arakaraka ny fiovan'ny datin'ny ekinoksan-dohataona.
{| class="wikitable"
|'''Fari-potoana'''
|'''Faharetany'''
|'''Anarany'''
|
|-
|21 Marsa - 20 Avrily
|31 andro
|فروردین / Farvardin [færværdin]
|
|-
|21 Avrily - 21 Mey
|31 andro
|اردیبهشت / Ordibehešt [ordiːbeheʃt]
|
|-
|22 Mey - 21 Jona
|31 andro
|خرداد / Khordâd [xordɒːd]
|
|-
|22 Jona - 22 Jol.
|31 andro
|تیر / Tir [tiːr]
|
|-
|23 Juil. - 22 Aog
|31 andro
|مرداد / Mordâd [mordɒːd]
|
|-
|23 Aog - 22 Sept.
|31 andro
|شهریور / Šahrivar [ʃæhriːvær]
|
|-
|23 Sept. - 22 Okt.
|30 andro
|مهر / Mehr [mehr]
|
|-
|23 Okt. - 21 Nov.
|30 andro
|آبان / Âbân [ɒːbɒn]
|
|-
|22 Nov. - 21 Des.
|30 andro
|آذر / Âzar [ɒːzær]
|
|-
|22 Des. - 20 Jano.
|30 andro
|دی / Dey [dej]
|
|-
|21 Jano. - 19 Feb.
|30 andro
|بهمن / Bahman [bæhmæn]
|
|-
|20 Feb. - 20 Marsa
|29 na 30 andro
|اسفند / Esfand [esfænd]
|
|}