Fianakaviam-piteny nilô-sahariana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
[[Sary:Nilo-Saharan.png|vignette|327x327px|Fiteny ao Afrika: ny erana mavo no maneho ny faritra misy ny mpiteny nilo-sahariana]]
Ny '''fiteny nilo-sahariana''' dia [[fianakaviam-piteny]] ao [[Afrika atsimon'i Sahara]], ao amin'ny faritr'i Nily Ambony sy ny an'i Sahara-Ambony izay mahafaoka an'i [[Nobia]]. Araka ny fanombanana tanaon'i Lionel M. Bender tamin'ny taona 2004 dia misy fiteny miisa 200 any ho any ao amin'io fianakaviam-piteny io izay tenenin'ny olona miisa 31 000 000 any ho any ao amin'ny Fanjakana (firenena) miisa 18.
 
Io fianakaviam-piteny io dia ahitana fiteny isan-karazany, izay tsy ranoray mihoatra lavitra ny an'ny fianakaviam-piteny akaiky azy, dia ny [[fianakaviam-piteny nizero-kongoley]], ka iandian-kevitra ny maha fianakaviam-piteny iray ireo fiteny ao aminy. Vitsy ireo [[mpahay fiteny]] izay manao fikarohana amin'ilay fianakaviam-piteny manontolo ary misy ireo izay mitsipaka io fanasokajiana io. Ny tena iandian-kevitra dia ny fampidirana ny [[sampam-piteny songay]] amin'ity fianakaviam-piteny ity. Na dia mifanaraka aza ny ankamaroan'ny mpahay fiteny amin'ny maha mitombina ny fisian'io fianakaviam-piteny io dia hita fa ny firafetany anaty dia mbola iadian-kevitra.
 
Ny fiteny nilo-sahariana dia tenenina ao amin'ny faritra tsy mitohy avy any amin'ny fivarin'ny [[renirano Niger]] ao [[Afrika Andrefana]] hatrany [[Etiopia]], mandalo ny lohasaha ambonin'iny renirano [[Nily]] ary mandalo amin'ny faritra sasany ao atsimon'i [[Oganda]] sy [[Kenia]]. Tenenina ao avaratr'i [[Tsady]] nysy [[Sodana|Sodàna]] sy ary avaratr'i [[Repoblikan'i Kongo|Kongo]] ireo fiteny ireo.
 
Ireto ny tena be mpiteny amin'ny fiteny nilo-sahariana:
 
* ny [[sampam-piteny songay]], tenenin'ny mponina amin'ny faritra manamorona ny tapany ambonin'ny ony Niger ao [[Mali|Maly]] sy ao [[Nijera|Nizera]];
* ny fiteny kanory, tenenin'ny olona miisa 1 500 000 any ho any, maodidinamanodidina ny [[farihy Tsady]];
* ireo fiteny ao amin'ny [[Sampam-pieteny nobiana|sampana nobiana]], tenenin'ny olona miisa 1 000 000 any ho any, manamorona ny ony Nily, manakainy ny sisin-tanin'i [[Ejipta]], miparitaka amin'ny "nosim-piteny" maro, ny lehibe amin'ireo fiteny ireo dia ny fiteny dinka, ny fiteny noera, ny fiteny shilokasiloka ary ny ny fiteny diora;
* ao koa ireo vondrona madinidinika toy ny [[sampam-piteny mabàna]] sy [[sampam-piteny komàna]], izay ahitana tenenina any Tsady sy any amin'ny sisin-tany manasaraka an'i [[Etiopia]] sy i [[Sodàna]];
* ao koa ny [[fiteny fora]] izay fiteny manirery.