Ardasira I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Mpanjka sasanida
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Naqsh i Rustam. Investiture d'Ardashir 1.jpg|vignette|367x367px|Sary sokitra maneho ny nametrahan'ny andriamanitra [[Ahora Mazda]] an'i Ardasira I eo amin'ny fitondrana.]]
I '''Ardasira I''' dia mpanjakan'i [[Persia]] tamin'ny taona 224 hatramin'ny taona 241 izay nanorina ny fianakavia-mpanjaka [[sasanida]], sady zafikelin'i [[Sasàna]]. Ny rain'i Ardasira I dia niantso tena ho governoran'ny iray amin'ny faritr'i Persia, satria nanompo ny mpanjaka [[partiana]] [[arsakida]] izy.
 
Teraka tao amin'ny tanàna kely iray ao akaikin'i Istakra (akaikin'i Persepolisy, ao [[Farsa]]) i Ardasira I. I [[Papàka]] mpanjakan'i Kira (''Khir''), izay nanompo ny mpanjakan'i Istakara, izay mpanompon'ny "mpanjaka lehibe" Artabàna IV ([[arsakida]]) izy. I Rôdaka no anaran-dreninyn araka ny sora-tsokitra nampanaovin'i Sapora I zanany.
 
Mety hantsoina hoe ''Ardesira'', ''Ardasera'', ''Ardasesy'', ''Artakserksesy'' na ''Artakserka'' <abbr>I koa izy. Amin'ny [[teny grika]] izy dia atao hoe Αρταξέρξης / ''Artakserksês'' koa.</abbr>
 
Rehefa maty ny rainy tamin'ny taona 212 dia nandimby azy i Ardasira I sadyka namononatao governoran'i Darabgerda (i Darab, any Iràna ankehitriny). Namono ireo rahalahiny izy, niady tamin'ireo mpanjaka mpanompomadinika mpifanolo-bodirindrina taminy izy (taona 211-212) ka tamin'ny taona 224 dia voaongany koa ny "mpanjaka lehibe" [[Artabàna V]] (nanjaka tamin'ny taona 213 hatramin'ny 224), nandritra ny ady nifanaovany taminy tao Hôrmoza. Niantso tena ho ''Sāhān Sāh'' ("mpanjakan'ny mpanjaka", izany hoe (emperora) i Ardasira I taty aoriana ka nantsoina hoe ''DariArdachir'' (izany hoe "Dariosy-Ardasira") sady niezaka namerina indray ny firaisan'ny [[Empira persiana]] araka ny fomban'ny [[Akemenida]] tamin'ny [[Andro Taloha]]. Nataony fivavaham-panjakana ny [[mazdeisma]] ka nanorina renivohitra vaovao izy, dia i [[Ktesifôna]], izay miorina eo amoron'i [[Tigrisy]] sy teo amin'ny niorenan'ny [[Seleokia]]. Tamin'ny faramparan'ny andro niainany i Ardasira I dia nitondra tafika niady matetika tyamin'ny [[Empira rômana]] nefa tsy nahita fahombiazana. Nandimby azy i [[Sapôra I]] zanany. Nohajaina sahala amin'ny [[andriamanitra]] i Ardasira I fahavelony, ka taty aoriana dia nanjary olo-malaza teo amin'ny [[angano]] sy [[fedrà]] persàna.