Artakserksesy II: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Artaxerxes II relief detail.jpg|vignette|Sary sokitra maneho an'i Artakserksesy II ao amin'ny fasany ao Persepolisy.]]
I '''Artakserksesy II''' dia mpajaka persiana tao amin'ny fianakavia-mpajaka [[akemenida]], izay najaka tamin'ny taona 404 hatramin'ny taona 358 tal. J.K. Teraka tamin'ny taona 436 tal. J.K. ary maty tamin'ny taona 359 tal. J.K. izy. Izy no nanjaka maharitra indrindra tamin'ireo Akemenida. Lasa mpanjakan'i Egipta izy tamin'ny taona 404 hatramin'ny 402 tal. J.K. talohan'ny fikomian'ny Egiptiana. I [[Dariosy II]] rainy no teo alohany ary i [[Artakserksesy III]] no nandimby azy.
 
Atao hoe Ἀρταξέρξης, / ''Artaksérksês'' io anarana io amin'ny [[teny grika]], izay avy amin'ny anarana amin'ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana]] tranainy hoe ''Artaxšacā.'' (amin'ny teny persana: اردشیر یکم / ''Ardeshir'').
 
Raha vao nanomboka nitondra izy dia niady handrombaka ny fitondrana ny rahalahiny atao hoe Kirosy Zandriny izay nanangan-tafika mpikaraman'ady spartiata hiady amin'i Artakserksesy II. Resin'ny mpanjaka izy ka novonoiny tamin'ny ady tao Konaksa (grika: Κούναξα / ''Kounaxa'') tamin'ny Marsa 401 tal. J.K.
 
Fahavalon'ny Sparta ny mpanjaka Artakserksesy II ka noho izany dia niatrika ady tamin'ny tanàna tao Sparta imbetsaka: niady tamin'i Agesilaosy II (grika: Ἀγησίλαος / ''Agêsilaos'') izy tao [[Azia Minora]] teo anelanelan'ny taona 400 sy 395 tal. J.K., avy eo nanohana ny fikambanan'ireo tanàna grika hiady amin'i Sparta tamin'ny ady kôrintiana tamin'ny taona 395 tal. J.K. hatramin'ny taona 386 tal. J.K. Na dia izany aza dia nihevitra i Artakserksesy II fa ny fifandanjan-kery nisy teo amin'i Atena sy i Sparta dia nety ho an'i Persia izay nametraka ny "fahaleman'i Antalkidasy" tamin'ireo tanàna grika tamin'ny taona 386 tal. J.K.
 
I Artakserksesy II dia nanao izay hamaboany an'i Egipta izay tafala tamin'ny fanapahan'ny Persiana hatramin'ny fikomiana tamin'ny taona 405 tal. J.K. Indroa tsy nahomby izy tamin'ny taona 385-383 tal. J.K. sy tamin'ny taona 374 tal. J.K. Tamin'ny faramparan'ny fitondrany dia namono ny fikomian'ny solontenam-panjakana (satrapa) tany Azia Minora izy.
 
Rehefa mety i Artakserksesy II dia ny zanany Artakserksesy III no nandimby azy teo amin'ny fanapahana ny Empira persiana.
 
== Artakserksesy ao amin'ny Baiboly ==