Liberio (papa): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy voaforona amin'ny « I '''Liberio''' dia evekan'i Roma izay nanomboka nisahana izany asa izany tamin'ny 17 May 352 sady heverina araka ny lovantsofina katolika fa papa faha-36. Tsy fanta… »
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
I '''Liberio''' dia evekan[[eveka]]<nowiki/>n'i RomaRôma izay nanomboka nisahana izany asa izany tamin'ny 17 May 352 sady heverina araka ny lovantsofina katolika fa papa faha-36. Tsy fantatra ny fotona nahaterahany. Maty tamin'ny 24 Septambra izy.
 
Tamin'ny fotoana nisian'ny fahasahiranana nateraky ny fieleaan'ny [[Arianisma (teolojia)|arianisma]] tamin'ny androny, izy dia isan'ny mpitarika ny antoko nikeana (na niseana) izay nanohitra ny antoko ariana notohanan'ny emperora [[Konstantio II]] izy, izay nahatonga azy ho nisesynatao tanysesitany. Nanaraka ny fampianarana arianista nomban'ity emperora ity aloha i Liberio, nefa rehefa maty ny emperora dia nanaraka ny fampianarana nikeana amin'izay izy.
 
I Liberio no eveka voalohany niantso ny tenany ho "evekan'ny Fiketrahana apostolika", mpanam-pahefana ara-panahy ao RomaRôma, ka ny fitondrana maha papa azy anefa nomarihin'ireo fivadihan-kevitra tampoka sy ny fahasarotan'ny fihazonana ny firaisan'ny fiangonana kristiana isan-toerana.
 
== Tantaram-piainany ==
 
=== Zava-nisy tamin'izany fotoana izany ===
I Liberio (izay atao amin'ny [[teny latina]] hoe ''Liberius'') dia manam-piaviana romana izay teraka tamin'ny daty tsy fantatra, nahazo ny fitondrana maha evekan'i RomaRôma tamin'ny 17 Mey 352 rehefa maty ny eveka [[Jolio I (papa)|Jolio I]], tamin'ny fotoana nianjadian'ny fahasahiranana vokatry ny arianisma izay nahazo ny fiangonana kristiana manontolo. Nanohana ny arianisma mantsy ny emperora KontsantioKonstantio II izay hany emperora tokana nanomboka tamin'ny taona 353, sahala amin'ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana tatsinanana tao amin'ny Empira romana. Ny emperora izay nitarika ny politikan'ny fiangonana dia nikendry ny firaisana ara-pivavahana sady nankasitraka ny handroahana ny eveka tandrefana (izay nitondra ny hevitr'i [[Atanasiosy avy any Aleksandria|Atanasiosy]] na Atanazy avy any Aleksandria izay naongana tamin'ny [[konsily voalohany tao Tiro]] tamin'ny taona 335) nahitana maro anisa nomba ny firehana nikeana; ity emperora ity koa dia nanao amboletra hampanjakana ny fiekem-pinoana ariana nankatoavina amin'ny fomba ofisialy tamin'ny taona 351 tao Smirnioma.
 
=== I Liberio, eveka niseana ===
Volana vitsy taorian'ny nahavoafidy eveka an'i Liberio dia namory sinoda tao RomaRôma izy izay niezahany hanamarinana an'i Atanasiosy (Atanazy), tahaka ny nataon'i Jolio eveka nodimbiasiny, alohan'ny hangatahany amin'ny emperora ny hanaovanan konsily lehibe ao Akoilea[[Akoileia]] mba hamahàna ny tsy fifanarahana ara-telojia sy ara-pitsipi-pifehezana nampifanohitra ny eveka tatsinana sy ny eveka tandrefana. Noho izany dia namory sinoda tao [[Arelata]] (frantsay: ''Arles'') i KontantioKonstantio II, izay nankalaza tao koa ny fahatelopolo taonan'ny fitondrany (latina: ''tricennalia''), nefa tsy tonga tao i Liberio fa nandefa solontena roa mba hanohana ny fikasany hampanao [[konsily]], nefa nomba ny fanamelohana an'i Atanazy ireto solontena roa ireto noho ny fanerana azy ireo.
 
Nanda ny hoe nandefa solontena i Liberio ka niezaka nanetsika ny eveka italiana hanohitra ilay sinoda nampanaovin'i Konstantio II, ankoatry ny toe-javatra mihatra amin'i AtanasioAtanasiosy, dia nanindry mafy izy fa ny [[fiekem-pinoan'i Nikea]] (na Nisea) izay nankatoavin'i Konstantino rainy no voatohintohina, dia nangataka tamin'i Konstantio ny hanaovana konsily lehibe vaovao izy, ka niresaka tamin'ny emperora amin'ny maha "evekan'ny Fiketrahana apostolika" (latina: ''sedes apostolica'') azy.
 
Nanaiky i Konstantio ka niantso konsily tao Milano, izay nisy ny toeram-ponenany maha emperora azy; nizotra nandritra ny fahavaratry ny taona 355 (ila-bolantany avaratra) izany konsily izany, izay nahavory ny ankamaroan'ny eveka tao amin'ny fiangonana tandrefana. Nandefa an'i Losifera avy any Karalisy (italiana: ''Cagliari''; latina: ''Caralis''), niaraka tramin'ny [[pretra]] Pankratio sy ny [[diakra]] Hilario, i Liberio, nefa tsy nisy zavatra noresajhinanoresahina tamin'izany afa-tsy ny fanamelohana an'i Atanazy, izay tsy nankasitrahin'ireo solontena avy any RomaRôma, izay nasesitany tany Atsinanana niaraka tamin'ny mpanoha riana hafa, araka ny didin'i KonstatioKonstantio. Niezaka nitaona an'i Liberio hiombom-pijeryhitovy fijery aminy ny emperora ka nandefa iraka (dia ny [[eonoka]] atao hoe Eosebio) tany aminy, nampitondra vola ho an'ny mahantra any amin'ny Fiangonana romana ny emperora. Tsy nanaiky hovidina tahaka izany i Liberio izay notohanan'ny mpitondra fivavahana teo an-toerana izay mbola niray hina, ka nandroaka ny iraky ny emperora any ivalanivelan'ny [[bazilika Masindahy Piera]] izay saika nametrahanhametrahan'io iraka io ny fanomezana avy amin'ny emperora teo amin'izay ataon'ny lovantsofina ho fasan'i Masindahy Piera (na [[Petera]]). Nanapa-kevitra ny handrava izany fanoherana izany i KostantioKonstantio ka nandidy ny prefetansolontenam-panjakana nitondra an'i RomaRôma atao hoe Flavio Leontinio mba hisambotra an'i Liberio izay efa nalaina ankeriny mandritra ny alina ka nentina tany Milano tamin'ny fararanon'ny taona 355 (any amin'ny ila-bolantany avaratra), mba tsy hisian'ny savorovorom-bahoaka.
 
=== Fanaovan-tsesitany ===
Tao Milano, tao anaty fihaonana miserana tamin'i Konstantio, ny pretala rômana dia nanda indray ny hanameloka an'i Atanasio "raha tsy naheno azy" sady nitady ny fankatoavan'ny eveka tatsinanana ny fanekem-pinoan'i Nikea. Izany fihetsika dia tsy mamela fifanakalozan-kevitra ka nahatonga ny emperora hanao sesitany azy tamin'ny volana Jona 356 tany [[Tràka (balkanika)|Tràka]] any [[Beroia]] (na Berea). Nandritra ny volana maro tany an-tsesitany sy noho ny fandresen-dahatry ny eveka ariana Demofilo dia nihalefy ny fahenterana sy ny herin-tsain'i Liberio ka nanamaro ny fialany amin'ny heviny izany: nanaraka ny fireham-pampianarana nandidian'ny emperora izy, nandefa taratasy maro tany amin'ny eveka manaiky ny arianisma mba hanazava fa maniry dia maniry ny hody any Rôma izy na inona na inona takalon'izany, ka tamin'ny farany izy dia nankato ny fanamelohana an'i Atanasiosy sy ny [[fiekem-pinoana voalohan'i Smirmioma]] — izay tsy manaiky ny firaisam-pomba na firaisa-maha izy azy (latina: ''consubstatialita'') lazain'ny fiekem-pinoana nikeana — tanàna namindrana azy tamin'ny taona 358.
 
Rehefa tsy teo i Liberio dia ny arsidiakra [[Feliksa II (antipapa)|Feliksa]] no nohosoran'i Eodoksa (eveka homeana mpankasitraka an'i Konstantio) ho evekan'i Rôma, nefa tsy nisy antoka ara-teolojika nangatahina taminy. Ny emperora koa dia namerina sy nanamafy ny tombontsoa manokana sy ny fanomezeam-pahalalahana ny mpitondra fivavahana ao Rôma tsy hanatanteraka zavatra sasany ho an'ny emperora sy ho an'ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana — ka mety isan'izany i [[Damaso I]] — izay nomba ny eveka vaovao. Ny [[diakra]] Orsino sy Amantio sy ny pretra maro hafa anefa tsy niala tamin'ny fanoavany an'i Liberio, ka nahatonga an'i Feliksa ho mpampizara fiangonana sy tsy ho tiam-bahoaka izany. Izany dia vavolombelona fa ny ady hevitra ara-teolojia dia tsy natokana ho an'ireo manam-pahaizana fa nadray anjara tamin'ny fanambaràna teo anatrehan'ny emperora ny fitiavany ny evekany sy amin'ny foto-pampianarana nikeana ny mpino rômana. Ankoatr'izany dia nisy vehivavy manan-kaja maro teo amin'ny vahoaka rômana, nihaingo ka nirahina ho any amin'i Konstantio mba hangataka ny hampodiana an'i Liberio avy any an-tsesitany, ka nanaiky ny emperora mba hampitoniana ny tabataba tao an-tanàna, raha hiara-mitantana i Liberio sy i Feliksa.