Ny '''[[matoanteny andry]]''' dia [[matoanteny]] ampiasaina hampitohizana ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] amin'ny [[entimilaza]] tsy matoanteny. Maro ireo fiteny mampiasa matoanteny andry ka isan'izany ny [[fiteny frantsay]] sy ny [[fiteny anglisy]]. rehefa tsy matoanteny ny teny ([[Tarika (fitsipiteny)|loha-tarika]]) ao amin'ny entimilaza. Ny fiteny frantsay dia mampiasa indrindra ny matoanteny ''être'' fa ny fiteny anglisy kosa dia mampiasa ny matoanteny ''be''. Tsy afangaro amin'ny anjara asa [[Matoanteny mpanampy|mpanampy]] ny anjara asa [[Andry (fitsipiteny)|andry]]. NyTsy ny fiteny rehetra no manana matoanteny andry ary misy ireo izay tsy mampiasa azy raha tsy amin'ny lafin-javatra sasany ara-pitsipiteny ihany. Ny [[fiteny rosiana]] dia tsy mampiasa matoanteny andry amin'ny fehezanteny amin'ny filazam-potoana ankehitriny sy amin'ny endri-pehezanteny manambara.