Matoanteny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-13:
 
==== Ny fanehoan-javatra ====
Ny [[Fanehoan-javatra (fitsipiteny)|fanehoan-javatra]] na [[faneho]] dia toetra ara-pitsipiteny izay ahafahan'ny mpiteny maneho ny fomba fijeriny manoloana ny fivoaran'ny ny asa na ny toetra resahina (fanombohany, fizotrany, fahavitany sns) ao amin'ny matoanteny na ny teny rehetra mety hatao [[entimilaza]]. Ny mariky ny [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] amin'ny fiteny sasany dia mariky ny fanehoan-javatra ihany koa ka mahatonga ireo fiteny ireo hoatry ny manana filazam-potoana maro dia maro.
 
Ohatra, tsy mitovy endrika ny matoanteny malagasy ''mitapaka'' sy ''voatapaka'' satria tsy mitovy fanehoan-javatra: ny voalohany amin'ny [[Fanehoan-javatra tsy efa|fanehoan-javatra tsy efa]] fa ny faharoa amin'ny [[Fanehoan-javatra efa sy tsy efa|fanehoan-javatra efa]].