Fiendrika sy fitodika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-38:
 
==== Ny fitodika araka an-Rabenilaina ====
Ny fitodika dia miankina amin'ny hevitry ny matoanteny mifandray amin'ny [[Vara (fitsipiteny)|vara]] sy ny [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]] ary ny teny mety mampifandray ([[mpampiankin-teny]]) ny vara matoanteny amin'ny fameno, raha atao [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] io fameno io. Ny fitodika no atao amin'ny teny frantsay hoe ''diathèse'' fa amin'ny teny anglisy hoe ''diathesis''. Ireto avy ireo fitodika ireo izay misokajy roa:, dia ny [[fitodika fototra]] sy ny [[fitodika sampana]]
 
'''1. Fitodika fototra'''
 
* [[Fitodika mihatra]]: ''<u>Nividy</u> hena izahay.''
* [[Fitodika tsy mihatra]]: <u>''Mitrena ny omby''</u>''.''
* [[Fitodika mamoatra]]: ''<u>Nampividy</u> hena anay ny reninay''.
* [[Fitodika mitoina]]: ''<u>Mifampijery</u> maharitra izy roa''.
 
'''2. Fitodika sampana'''
 
* [[Fitodika toe-javatra]]
* [[Fitodika zoina]]
 
Ny fitodika toejavatratoe-javatra dia misy karazany maro:
 
*[[Fitodika toe-javatra fotoana]]: ''<u>Isakafoanana</u> matetika ny antoandro''.
*[[Fitodika toe-javatra toerana]]: ''<u>Ananangonan</u>y ahitra ny any an-tsaha''.
*[[Fitodika toe-javatra fomba]]: ''An-katezerana no <u>namalian</u>y ny fanontaniako''.
*[[Fitodika toe-javatra antony]]: ''<u>Ahazoana</u> entana maro ny fihenam-bidy''.
 
Ny fitodika zoina dia misy karazany enina:
 
*[[Fitodika zoina iharana]]: ''<u>Kapohina</u> kibay ny omby''.
*[[Fitodika zoina fitaovana]]: ''<u>Akapoka</u> ny omby ny kibay''.
*[[Fitodika zoina tanty]]: ''<u>Rosoana</u> sakafo ny olona nasaina''.
*[[Fitodika zoina tolorana]]: ''<u>Ivarota</u>ko ny fiarako ilay mpanan-karena''.
*[[Fitodika zoina toerana]]: ''<u>Ijanonan</u>'ny fiara ny eo amoron-dalana''.
*[[Fitodika zoina alalana]]: ''<u>Anenjehana</u> lambo ny alika''.
 
== Fiendrika sy fitodika ao amin'ireo fiteny eoropeana ==