Taona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-12:
 
==== Ny taona ao amin'ny tetiandro gregoriana ====
Ny taona iray ao amin'ny [[tetiandro gregoriana]], ilay ampiasain'ny ankamaroan'ny olona amin'izao fotoana izao, dia misy 365 andro amin'ny telo taona mifanarakaraka ka misy 28 andro ny volana [[Febroary]], fa 366 andro kosa isaky ny efa-taona izay mampisy 29 andro ny volana Febroary. Izany dia atao mba hahatonga ny efa-taona hisy 1461 andro. Ny anaran'ny taona iray, amin'ny maha daty azy, dia ny laharany nifanarahana ihany. Ny ankamaroan'ny firenena eto an-tany, izay mampiasa ny [[tetiandro gregoriana]], dia efa samy nanitsaka ny taona faha-2017 tamin'ny taona 2017.
 
=== Ny taon-tetiandro manara-bolana ===
Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan'ny taona iray ao amin'ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany, izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin'ny taona amin'ny [[tetiandro gregoriana]].
 
==== Taona ao amin'ny tetiandro miozolmana ====
Andalana faha-21:
 
==== Taona ao amin'ny tetiandro malagasy manara-bolana ====
Ao amin'ny tetiandro malagasy manara-bolana dia misy 354 na 355 andro ny taona malagasy manara-bonana, ka latsaka 11 na 12 andro izany raha mitaha amin'ny taona ao amin'ny [[tetiandro gregoriana]]. Izany hoe ny iray taona gregoriana dia misy 12 volana malagasy miampy 10 na 11 na 12 andro..
 
=== Taon-tetiandro manara-bolana sy masoandro ===
Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]], izay tsapa amin'ny alalan'ny zava-mitranga (eo amin'ny [[zavamananaina]] na ny [[toetrandro]]) miankina amin'ny tsingerin'ny [[fizaran-taona]] sy ny toeran'ny [[kintana]] sy ny [[antokon-kintana]] eny amin'ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan'ny telo taona amin'ny 37 volana na ny 19 taona amin'ny 235 volana (ity no atao hoe "[[Tsingerin'i Metona]]").
 
== Jereo koa: ==