Taona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[taona|'''taona''']] dia fefotoana aharetan'ny tsingerim-potoanapihodin'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]] na tsingerim-potoana mifandraika amin'ny fitsingerenan'ny fizaran-taona iray ka maharitra manodidina ny 12 tsingerim-bolana eo ho eo izany. MifanandrifindrifyMiankina amin'ny tsingerim-pihodinan'nyzavatra [[Tany]]eny amin'ny [[Masoandro]]lanitra atao fiaingana ny refin'io faharetana io, ka maro noho izany ny famaritana ny atao hoe "taona".
 
== Taon-tetiandro ==
Araka ny [[tetiandro]] ampiasaina dia misy 12 [[Volana (fotoana)|volana]] amin'ny ankapobeny ny ao anaty taona iray nefa misy tsindraindray taona ahitana 13 volana. Noho ny fahatsapana ny fahataran'ny tetiandro miohatra amin'ny zava-miseho eo amin'ny natiora (fizaran-taona, tsingerim-bolana, fanirin'ny zava-maniry, sns) no antony anampiana volana iray faha-13 ny taona sasany. Izany, ohatra, no mitranga amin'ny [[tetiandro hebreo]] izay tsy toy ny tetiandro [[Tetiandro miozolmana|miozolmana]].
 
Ny ao anatin'ny iray taona, arakaraka ny tetiandro ampiasaina, dia ahitana andro izay matetika miisa mihoatra ny 300 ka ny farany ambony mety hihoatra ny 370 andro. Ny tsy fitovizan'ny iasan'ny [[andro]] anatin'ny volana iray arakaraka ny tetiandro arahina no mahatonga izany. Nisy ihany ny taona nahitana andro miisa latsaky ny 300 toy ny [[tetiandro romana]].
 
=== Ny taon-tetiandro manara-masoandro ===
Ny taona iray ao amin'ny [[tetiandro gregoriana]], ilay ampiasain'ny ankamaroan'ny olona amin'izao fotoana izao, dia misy 365 andro amin'ny telo taona mifanarakaraka ka misy 28 andro ny volana [[Febroary]], fa 366 andro kosa isaky ny efa-taona izay mampisy 29 andro ny volana Febroary. Izany dia atao mba hahatonga ny efa-taona hisy 1461 andro.
 
==== Ny taona ao amin'ny tetiandro joliana ====
Ny anaran'ny taona iray, amin'ny maha daty azy, dia ny laharany nifanarahana ihany. Ny ankamaroan'ny firenena eto an-tany, izay mampiasa ny [[tetiandro gregoriana]], dia efa samy nanitsaka ny taona faha-2017 tamin'ny taona 2017. Ny [[Tetiandro miozolmana|tetiandro silamo]] anefa dia teo amin'ny taona faha-1438 tamin'io taona 2017 gregoriana io. Manampy izany tsy fifanadrifiana izany koa ny tsy fitovizan'ny isan'ny andro ao amin'ny taonan'ny tetiandro tsirairay. Ohatra, ny taona miozolmana iray dia misy 354 na 355 andro nefa ny taona gregoriana misy 365 na 366 andro.
Misy 365,25 andro ny salam-paharetan'ny iray taona ao amin'ny [[tetiandro joliana]] nefa nihoatra 3 andro izany isaky ny taonjato 4 raha ampitahaina amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro, ka nahatonga ny fihoarana 10 andro eo ho eo tamin'ny taonjato faha-16 izay nitarika ho amin'ny fampiasana ny [[tetiandro gregoriana]] tamin'ny fanitsiana azy tamin'ny taona 1582 faha-Papa [[Gregorio XIII]].
 
==== Ny taona ao amin'ny tetiandro gregoriana ====
Ny taona iray ao amin'ny [[tetiandro gregoriana]], ilay ampiasain'ny ankamaroan'ny olona amin'izao fotoana izao, dia misy 365 andro amin'ny telo taona mifanarakaraka ka misy 28 andro ny volana [[Febroary]], fa 366 andro kosa isaky ny efa-taona izay mampisy 29 andro ny volana Febroary. Izany dia atao mba hahatonga ny efa-taona hisy 1461 andro. Ny anaran'ny taona iray, amin'ny maha daty azy, dia ny laharany nifanarahana ihany. Ny ankamaroan'ny firenena eto an-tany, izay mampiasa ny [[tetiandro gregoriana]], dia efa samy nanitsaka ny taona faha-2017 tamin'ny taona 2017.
 
=== Ny taon-tetiandro manara-bolana ===
Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan'ny taona iray ao amin'ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany, izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin'ny taona amin'ny [[tetiandro gregoriana]].
 
==== Taona ao amin'ny tetiandro miozolmana ====
Ny anaran'ny taona iray, amin'ny maha daty azy, dia ny laharany nifanarahana ihany. Ny ankamaroan'ny firenena eto an-tany, izay mampiasa ny [[tetiandro gregoriana]], dia efa samy nanitsaka ny taona faha-2017 tamin'ny taona 2017. Ny [[Tetiandro miozolmana|tetiandro silamo]] anefa dia teo amin'ny taona faha-1438 tamin'io taona 2017 gregoriana io. Manampy izany tsy fifanadrifiana izany koa ny tsy fitovizan'ny isan'ny andro ao amin'ny taonan'ny tetiandro tsirairay. Ohatra, ny taona miozolmana iray dia misy 354 na 355 andro nefa ny taona gregoriana misy 365 na 366 andro.
 
==== Taona ao amin'ny tetiandro malagasy manara-bolana ====
Ao amin'ny tetiandro malagasy manara-bolana dia misy 354 na 355 andro ny taona malagasy manara-bonana, ka latsaka 11 na 12 andro izany raha mitaha amin'ny taona ao amin'ny [[tetiandro gregoriana]]. Izany hoe ny iray taona gregoriana dia misy 12 volana malagasy miampy 10 na 11 na 12 andro..
 
=== Taon-tetiandro manara-bolana sy masoandro ===
Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]], izay tsapa amin'ny alalan'ny tsingerin'ny [[fizaran-taona]] sy ny toeran'ny antokon-kintana eny amin'ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan'ny telo taona amin'ny 37 volana na ny 19 taona amin'ny 235 volana (ity no atao hoe "[[Tsingerin'i Metona]]").
 
== Jereo koa: ==