Volana (fotoana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Volana (fotoana)|'''volana''']] dia tsingerim-potoana na halavam-potoana mitovitovy halava amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] amin'ny [[Tany]]. Arakaraka ny [[tetiandro]] ampiasaina ny halavan'ny volana ka mety ho 28 ka hatramin'ny mihoatra ny 30 [[andro]] izany. Misy [[herinandro]] efatra na mahery ny ao anatin'ny iray volana raha misy fito andro ny herinandro iray. Misy 12 volana ny ao anatin'ny [[taona]] iray nefa mety hisy volana fanampiny izany arakaraka ny tetiandro ampiasaina ka hahatonga ny taona sasany hisy 13 volana. Manana anarana arakaraka ny tetiandro ampiasaina ny volana tsirairay ao anatin'ny taona.
 
== Ny volanasalam-paharetan'ny gregorianavolana ==
Tamin'ny voalohany dia ny fifanindrifian'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana sy ny an'ny Masoandro no nandrefesana ny volana. Ny salam-paharetan'ny volana manara-bolana, izany hoe ny tsingerim-pisehoan'ny endriky ny Volana, dia misy 29,53059 andro. Ny salam-paharetan'ny volana manara-kintana, izany hoe ny tsingerim-pisehoan'ny Volana mitaha amin'ny kintana iray, dia misy 27,32166 andro. Ny salam-paharetan'ny vola-mikisaka, izany hoe ny tsingerim-pihodinan'ny Volana ampitahaina amin'ny fagitry ny lanitra hatramin'io fangitra io dia misy 27,32158 andro. Ny salam-paharetan'ny volana manara-masoandro, izany hoe ny fizarana amin'ny isa 12 ny taona manara-masoandro (mikisaka), dia misy 30,43685 andro. Ny volan-tetiandro dia misy 28 na 29 na 30 na 31 andro.
 
== Volan-tetiandro ==
 
=== Ny volana gregoriana ===
Ny salam-paharetan'ny volana gregoriana dia 30,436 875 andro ao anaty efajato taona fa 30,4375 andro kosa anaty efatra taona.
 
Ligne 22 ⟶ 27 :
|<small>''January''</small>
|<small>''Ianuarius''</small>
|<small>Mifandray amin'ny andriamanitra [[Janosy]], andriamanitry ny fiantombohana sy ny fiafarana.</small>
|-
|<small>''Febroary, Fevrie''</small>
Ligne 28 ⟶ 33 :
|<small>''February''</small>
|<small>''Februarius''</small>
|<small>Volam-pidiovana, mifandray amin'i [[Apolo (andriamanitra)|Apolo]], andriamanitry ny zavakanto, ny hira, ny mozika, ny hatsara endriky ny lehilahy, ny tononkalo ary ny fahazavana.</small>
|-
|<small>''Marsa, Martsa''</small>
Ligne 34 ⟶ 39 :
|<small>''March''</small>
|<small>''Martius''</small>
|<small>Mifandray amin’i [[Marsa (andriamanitra)|Marsa]], andriamanitry ny ady.</small>
|-
|<small>''Avrily, Aprily''</small>
Ligne 40 ⟶ 45 :
|<small>''April''</small>
|<small>''Aprilis''</small>
|<small>Volam-pisokafan’ny voninkazo sy ny taona, volan’ny andriamanibavy [[Afrodita]]</small>
|-
|<small>''Mey, May''</small>
Ligne 46 ⟶ 51 :
|<small>''May''</small>
|<small>Maius</small>
|<small>Mifandray amin’ny andriamanibavy [[Maia (andriamanitra)|Maia]], andriamanitry ny fahalonahana sy ny lohataona</small>
|-
|<small>''Jona, Jiona''</small>
Ligne 52 ⟶ 57 :
|<small>''June''</small>
|<small>''Iunius''</small>
|<small>Mifandray amin’ny andriamanibavy [[Jonô (andriamanitra)|Jonô]], mpiaro ny fanambadiana</small>
|-
|<small>''Jolay''</small>
Ligne 58 ⟶ 63 :
|<small>''July''</small>
|<small>''Iulius''</small>
|<small>Volana anomezam-boninahitra an’i [[Jolio Kaisara]] (emperora romana)</small>
|-
|<small>''Aogositra''</small>
Ligne 64 ⟶ 69 :
|<small>''August''</small>
|<small>''Augustus''</small>
|<small>Volana anomezam-boninahitra an’i [[Aogosto]] (Kaisara)</small>
|-
|<small>''Septambra''</small>
Ligne 91 ⟶ 96 :
|}
 
=== Ny volana malagasy ===
[[Sary:South-Lunar libration with phase Oct 2007 450px.gif|vignette|164x164px]]
Ny volana malagasy mitondra anarana arabo dia misy 29 na 30 andro satria momba ny [[Tetiandro manara-bolana|tetiandro manara-bolana]] manaraka ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] izay maharitra 29,530 589 andro (na 29 andro sy 12 ora sy 44 minitra). Ny andro voalohany amin'ny volana tsirairay dia ny andro ahatsinanan'ny Volana ka tsy misy daty raikitra mifanandrify aminy ao amin'ny [[Tetiandro gregoriana|tetiandro gregoriana]] izany satria ny salam-paharetan'ny volana gregoriana dia 30,436 875. Misy karazany roa ny anaram-bolana malagasy ka ny iray avy amin'ny [[Fiteny arabo|fiteny arabo]] fa ny iray hafa avy amin'ny [[Fiteny sanskrita|fiteny sanskrita]]. Tsy raikitra ny fifanandrifian'ireo volana roa toko ireo noho ny fahasamihafana isam-paritra sy isaky ny mpanandro, nefa misy ny milaza fa toy io aseho amin'ny fafana manaraka io izany fifandraisana izany.