Bokin' i Baroka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-7:
== Ny anaran'ilay boky ==
Ao amin'ny [[Septoajinta]] amin'ny [[teny grika]] ny Bokin'i Baroka dia atao hoe Βαρούχ / ''Baroúkh.''
 
== Ny fanoratana ilay boky ==
Ny lovantsofina dia manao an'i [[Baroka]] ho nanoratra ny Bokin'i Baroka. Voalaza fa zanak'i Neria izay Israelita tao amin'ny [[fokon'i Jodà]] izy, mpianatra sy mpanoratra sady namana mpanaraka an'i [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]]. Ny anarany amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] dia ברוך בן נריה / ''Bārūḵ ben Nêrîyāh'' ("Baroka zanak'i Neria"). Ny hoe ''Bārūḵ'' dia midika hoe "voatahy" ary ny hoe ''Nêrîyāh'' dia midika hoe "Jiroko i Yah" (izany hoe i [[Yahweh]])''.'' Atao hoe ''Βαρούχ'' / ''Baroukh'' izy amin'ny [[Fiteny grika|soratra grika]]. Nitory teny i Baroka tokony tamin'ny taona 606 tal. J.K.
 
Nentina niaraka amin'i [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]] tany Tafnesy any Egipta i Baroka taorian'ny namonoana ny governora Godoliasa izay notendrena ho mpanapaka taorian'ny nahababoan'i [[Nebokadnetsara II|Nabokôdônôzôra]] (na Nebokadnezara) an'i Jerosalema tamin'ny taona 586 tal. J.K. Taorian'ny nahafatesan'i Jeremia dia nankany amin'ireo Jiosy [[Fahababoana tany Babilona|babo tany Babilona]] i Baroka. Tany no namoahany ireo faminaniany tao amin'io boky mitondra ny anarany io izay.
 
== Fizaràn'ny boky ==