Bokin' ny Deoterônômia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Figures Moses Promulgates the Law.jpg|vignette|''Manazava ny Lalàn'Andriamanitra amin'ny Zanak'i Israely i Mosesy'', nataon'i Gerard Hoet (1648-1733), 1728 ]]Ny '''Bokin'ny Deoteronomia''', '''Bokin'ny Deteronomy''' na '''Bokin'ny Deoterônômy''', na '''Bokin'ny''' '''Dinampihavanana''' izay hafohezina amin'ny hoe '''Deoteronomia''' na '''Deteronomy''' na '''Deoterônômy''' na '''Dinampihavanana''', dia boky fahadimy ao amin'ny [[Baiboly]], ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] ary boky fahadimy sady farany ao amin'ny [[Boky dimin'i Mosesy|Pentateoka]], izay manantitra ny momba ny lalàna sy ny amin'ny tsy maitsy hanajana azy araka ny efa voalaza rahateo ao amin'ireo bokin-dalàna telo voalohany ([[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]], [[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]], [[Bokin'ny Nomery|Nomery]]). Ny Bokin’ny Deoteronomia ao amin’ny Baiboly jiosy dia isan’ny [[Torah]], fa ao amin’ny Baiboly kristiana kosa dia isan’ny Pentateoka.
 
== AnaranAnarana sy sokajin'ny boky ==
 
=== Anaran'ny boky ===
Ny hoe ''Deoteronomia'' na ''Deoterônômy'' dia avy amin'ny [[teny grika]] hoe ''Δευτερονόμιον'' / ''Deuteronómion'', izay avy amin'ny teny roa nakambana hoe ''Δευτερος'' ("faharoa") sy ''νόμoς ''("lalàna). "Lalàna faharoa" ny dika ara-bakitenin'ny hoe ''Δευτερονόμιον.'' Raha ny marina dia tsy lalàna faharoa no hita ao amin'ity boky mitondra io lohateny io ity fa firesahana fanindroany sy fanamafisana ny lalàna efa voalaza rahateo ao amin'ireo boky mialoha azy. Ny [[Tanakh]] dia manondro azy amin'ny hoe ספר דְּבָרִים ''/ Sefer Devarim'' ("ireo teny") izay avy amin'ny andian-teny fanombohan'ilay boky manao hoe "''Aleh ha-devarim''", midika hoe "Izao ireo teny". Hafohezina amin'ny hoe ''דְּבָרִים'' / ''Devarim'' ("Teny") izany.
 
=== Sokajin'ny boky ===
Ao amin'ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) dia boky ao amin'ny sokajy voalohany atao hoe [[Torah]] ny ''Sefer Devarim'', fa ao amin'ny Baiboly kristiana kosa dia isan'ny [[Pentateoka]] ny Bokin'ny Deoteronomia na Deoterônômy.
 
== Fizaràn'ny boky ==