Bokin' ny Nomery: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Figures A Plague Inflicted on Israel While Eating the Quails.jpg|vignette|333x333px|''Ny vay nahazo ny Zanak'i Israely nihinana papelika,'' nataon'i Gerard Hoet (1648-1733), 1728]]Ny ''[[Bokin'ny Nomery|'''Bokin'ny''' '''Nomery''']]'' na ''[[Bokin'ny Nomery|'''Bokin'ny''' '''Fanisana''']]'' na '''''Bokin'ny''' '''Fivahiniana''''' izay hafohezina amin'ny hoe '''''Nomery''''' na '''''Fanisana''''' na '''''Fivahiniana''''' dia boky fahefatra ao amin'ny [[Baiboly]] izay manohy ny tantara ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]] (na Eksaody) momba ny fivezivezen'ny [[Israelita]] tao an-tany efitra notarihin'i [[Mosesy]] (na Môizy) hatrany amin'ny lemak'i Moaba, tsy lavitra ny [[Kanaana (faritra)|tany Kanaana]]. Boky ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] ny ''Nomery'' na ''Fanisana.'' Ny Bokin’ny Nomery ao amin’ny Baiboly jiosy dia isan’ny [[Torah]], fa ao amin’ny Baiboly kristiana kosa dia isan’ny Pentateoka.
 
== AnaranAnarana sy sokajin'ny boky ==
 
=== Anaran'ny boky ===
Ny teny hoe ''Nomery'' dia avy amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Numeri'', lohatenin'io boky io avy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''Αριθμοί'' / ''Arithmoi'' izay azo adika hoe "fanisana", izany hoe fanisam-bahoaka. Ny hoe ''Fanisana'' kosa dia fandikana amin'ny teny malagasy izany teny grika sy latina izany. Tsy ny fanisam-bahoaka loatra anefa no lohahevitra tena iompanan'io boky io. Ao amin'ny [[Tanakh]] izy dia atao amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe ספר במדבר ''/ Sefer Be-Midbar'' ("boky tany an-tany efitra") izay mifanentana kokoa amin'ny zavatra resahiny.
 
=== Sokajin'ny boky ===
Ao amin'ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) dia boky ao amin'ny sokajy voalohany atao hoe [[Torah]] ny ''Sefer Be-Midbar'', fa ao amin'ny Baiboly kristiana kosa dia isan'ny [[Pentateoka]] ny Bokin'ny Nomery na Fanisana.
 
== Firafitry ny boky ==