Volambita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-8:
Ny Volambita sakalava koa dia tsy voatery hifanandrify tanteraka amin'ny Volambita tandroy na Volambita betsileo. Ny volana rehetra ao amin'ny lohataona dia nety natao Volambita tamin'ny fotoana faha mpanjaka, araka ny voasoratry ny mpahay tantara. Samy ao anaty lohataona ny Volambita samihafa fa tsy amin'ny fizaran-taona samy hafa.
 
Araka ny amintinan'ny ''Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara'' azy dia tsyTsy manondro fari-fotoanapotoana tokana ny anarana hoe ''Volambita'' sady tsy volana voalohany ao amin'ny taona ny Volambita: ao amin'ny [[Antambahoaka|foko tambahoaka]] sy [[bezanozano]] dia anaran'ny volana faha-11 ny Volambita, fa ao amin'ny [[Bara|foko bara]] kosa dia mifanandrify amin'ny volana Aogositra izany; ny [[Sihanaka]] sy ny [[Antanosy]] kosa dia manao ny Volambita ho volana faha-8 (Rakotosaona, 1972)<ref>[http://motmalgache.org/bins/teny2/volambita <small>"Volambita", in ''Dictionnaire malgache et Encyclopédie''</small>]</ref>. Volana manan-danja indrindra ny Volambita (misabaka amin'ny volana Septambra sy Oktobra) any amin'ny faritra atsimo atsinanan'i Madagasikara<ref><small>[https://books.google.mg/books?id=1k4mNoUy5QMC&pg=PA240&lpg=PA240&dq=Volambita&source=bl&ots=iDCEMeaAw_&sig=ACfU3U1b_VLBfQkUokdrnC6XxeliDeEQ_g&hl=fr&sa=X&ved=2ahUKEwjNk4fTzazlAhWQX8AKHejWDMs4HhDoATAIegQICBAB#v=onepage&q=Volambita&f=false Constant HAMES (coll.), ''Coran et talismans - Textes et pratiques magiques en milieu musulman'', 2007, p. 240.]</small></ref>. Volana voalohany ny Volambita ao amin'ny foko betsimisaraka, izay manitsaka ny volana Septambra sy Oktobra, ka eo no anombohan'ny fotoam-pambolena<ref><small>[https://books.google.mg/books?id=WfcxAQAAQBAJ&pg=PA140&lpg=PA140&dq=Volambita&source=bl&ots=1iZy18ruKB&sig=ACfU3U2dETw7a1hOg8YA0kkwLm-GoKDtxQ&hl=fr&sa=X&ved=2ahUKEwjzpqPNz6zlAhUKTsAKHZhiAvE4KBDoATABegQICBAB#v=onepage&q=Volambita&f=false Hilde Nielssen, ''Ritual Imagination: A Study of Tromba Possession among the Betsimisaraka in Eastern Madagascar'', 2011, p. 140.]</small></ref>.
 
=== Volana malagasy amin'ny teny arabo mifanandrify amin'ny Volambita ===
Andalana faha-16:
 
=== Fotoam-pankalazana ny taom-baovao lohataona ===
[[Sary:Vernonia noveboracensis 2.JPG|vignette|Karazana ambiaty]]
Talohan'ny taona 2016 dia efa nisy ny nanao fankalazana ny taombaovao lohataona tao Antananarivo. Nanomboka tamin'ny taona 2016 dia nisy ny fankalazana taom-baovao malagasy iraisam-paritra izay atao amin'ny volana [[Septambra]] ka tapaka fa amin'ny tsinam-bolan'ny Septambra no anatanterahana izany. Nanapaka ireo mpankalaza taom-baovao lohataona, taty aoriana, tamin'ny taona 2018, fa ankalazaina isaky ny 22 Septambra ny taom-baovao malagasy ho an'ny faritra rehetra eto Madagasikara<ref><small>[http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=27715 "Taom-baovao iraisan’ny Malagasy rehetra Nankalazaina teny Ambohimanga, omaly" - ''Tia Tanindrazana'']</small></ref>. Io volana Septambra io dia iray amin'ireo volana ao amin'ny fizaran-taona [[lohataona]]. Natao hoe ''Volambita'' rahateo ity vaninandro ity.