Tany efitr' i Sinay: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Sinaifromspace.jpg|vignette|337x337px|Ny teny efitr'i Sinay jerena avy eny amin'ny habakabaka]]
Ny '''tany efitr'i Sinay''', na '''tany efitr'i Sinaia''', izay matetika antsoina hoe '''Sinay''' na '''Sinaia''' fotsiny, dia [[saikanosy]] egiptiana manana velarana 60 000 km2, izay miendrika telolafy ary hita eo anelanelan'ny [[Ranomasina Mediteranea]] (ao avaratra) sy ny [[Ranomasina Mena]] (ao atsimo). Ao [[Azia Atsimo Andrefana]] no misy azy ara-jeografia. Ny sisin-taniny dia manamorona ny [[lakandranon'i Suez]] ao andrefana sy ny sisin-tany manasaraka an'i [[Egipta]] sy i [[Isiraely|Israely]] ary ny [[sombin-tanin'i Gaza]] ao avaratra atsinanana. Ny sisin-taniny atsinanana dia ahitana hantsana vokatry ny fihetsehan'ny tany izay mihataka isan-taona ny Ranomasina Mena. Trandrahina ao amin'ny tapany avaratra sy ao afovoany atsimo ny solitany sy ny vy ary ny manganezy.
 
Io faritra io, izay manana toetany mafana, dia misy mponina egiptiana maherin'ny 400 000 ankehitriny, indrindra ao avaratra manamorona ny sisin-tany israeliana sy ny sombin-tanin'i Gaza. Ny tanàn-dehibe fantatra indrindra ao dia i Charm el-Cheikh sy i Taba, izay samy toeram-pizahan-tany manana ny maha izy azy.
 
Ny toerana avo indrindra izay hita ao amin'ny faritra atsimo ao amin'ilay saikanosy dia ny tendrombohitra Masimbavy Katerina izay mahatratra 2 642 m ambonin'ny ranomasina sady tampon'i [[Egipta]] farany avo indrindra. Ny [[tendrombohitra Sinay]] na Sinaia, izay atao hoe جبل موسى / ''Djebel Mussa'' (izany hoe "tendrombohitr'i Mosesy") amin'ny [[teny arabo]], mahatratra 2 285 m, eo akaikin'ny tendrombohitra Masimbavy Katerina, no nandraisan'i [[Mosesy]] na Môizy ny [[Didy Folo]], araka ny [[Baiboly]]. Na dia izany aza dia lavin'ny mpahay tantara sy ny arkeologa amin'ny ankapobeny ny filazana fa io tokoa no toerana nisy ilay [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|Sinay]] resahina ao amin'ny Baiboly. Eo akaikin'ireo tampon-tendrombohitra roa ireo dia ahitana ny monastera Masimbavy Katerina, izay niorina tamin'ny taonjato faha-5 sady asa fanorenana bizantina tranainy indrindra voatahiry hatramin'izao fotoana izao.