Boky faharoan' ny Makabeo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Schnorr von Carolsfeld Bibel in Bildern 1860 157.png|vignette|289x289px|''Ny fahitan'i Jodasy Makabeo'', sary nataon'i Julius Schnorr von Karolsfeld, taona 1860]]
Ny '''Boky faharoan'ny Makabeo''' dia boky ao amin'ny [[Baiboly]] jiosyjody amin'ny [[teny grika]] atao hoe [[Septoaginta]] na Septanta. Mitantara ny fanoherana nataon'ireo [[Makabeo]] io boky io nefa maneho izany amin'ny fomba fijery teolojika kokoa fa tsy ara-tantara. Kely kokoa noho ny an'ny [[Boky voalohan'ny Makabeo]] ny vanim-potoana resahiny: manomboka amin'ny andro faramparany niainan'ny mpanjaka seleokida [[Antiokosy IV Epifanesy]] ary mifarana amin'ny fandresen'i [[Jodasy Makabeo]] ny Jenerany Nikanora, dimy ambin'ny folo taona taty aoriana (taona 161).
 
Voasokajy ho [[Boky deoterokanonika|deoterokanonikadeoterôkanônika]] ny boky ao amin'ny [[Baiboly katolika|Baiboly kotolikakatôlika]] sy ny [[Baiboly ortodoksa|Baiboly ôrtôdôksa]] fa [[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifaapôkrifa]] kosa izy ho an'ny ProtestantaPrôtestanta sy ny [[jodaisma]]. Ny [[Anglikanisma|Anglikana]] dia mihevitra an'io boky io ho ilaina nefa tsy amin'ny fanorenam-pampianarana na amin'ny fanavotana<ref><small>Harris, Stephen L., ''Understanding the Bible''. Palo Alto: Mayfield. 1985.</small></ref><ref><small>[http://www.episcopalian.org/pbs1928/articles/AnglicanTeaching/042.htm Article VI at episcopalian.org] ([https://web.archive.org/web/20070928122338/http://www.episcopalian.org/pbs1928/articles/AnglicanTeaching/042.htm Tahiry]: 2007-09-28 ao amin'ny Wayback Machine).</small></ref>.
 
Na dia kely kokoa noho ny an'ny boky voalohany aza ny zavatra lazainy momba ny tantaran'ny [[Jody]] (na Jiosy) dia loharano ahafantarana ny niantombohan'ny ady teo amin'ny Jodeana sy ny [[Seleokida]] io boky io. Ahitana zavatra manakaiky ny lovantsofin'ny [[Fariseo]] koa ao, dia ny vavaka ho an'ny maty, izay finoana ny [[Tsy feteza-maty|tsy feteza-mati]]<nowiki/>n'ny fanahin'olombelona na ny [[fiainana mandrakizay]] sy ny [[fitsanganan-ko velona]] amin'ny [[Andro fitsarana]]<ref name=":0"><small>Harris, Stephen L., ''Understanding the Bible''. Palo Alto: Mayfield. 1985.</small></ref>.
 
== Fanoratana ny boky ==
Nosoratana avy hatrany tamin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] ny Boky faharoan'ny Makabeo, mety ho tao [[Aleksandria]] tokony ho tamin'ny taona 124 tal. J.K<ref name=":0" />.
 
Ny mpanoratra ny Boky faharoan'ny Makabeo dia tsy mitonona anarana sady nanamafy fa tsy nanao afa-tsy namintina asa soratra avy amina boky dimin'i JasonaJasôna avy any Kirena, izay fantatra anarana nefa very. Mety ho nosoratana tamin'ny taona 100 tal. J.K. sady tokony niafara amin'ny nahafatesan'i Nikanora, sahala amin'ny ao amin'ny 2Makabeo. Tsy fantatra izay zavatra mikasika an'i JasonaJasôna ao amin'ny boky, nefa ny savaranonando sy ny teny mialoha ary ny teny fampieritreretana ara-pitondrantena sasany dia mety avy amin'ny mpanoratra tenany.
 
Olona efa miaina amin'ny kolontsaina grika ny mpanoratra satria nanoratra avy hatrany amin'ny teny grika izy fa tsy nandika avy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] tranainy.
Andalana faha-16:
 
== Famintinana ==
Tsy mitantara amin'ny antsipiriany ny zava-nitranga ny Boky faharoan'ny Makabeo. Ny toko roa voalohany dia ahitana taratasy roa nosoratan'ny JiosinJodin'i Jerosalema ho an'ny JiosyJody any Ejipta, izay miantso azy ireo ho any amin'ny [[Tempoly Faharoan'i Jerosalema|Tempoly faharoan'i Jerosalema]] mba hankalaza ny fetin'ny fanadiovana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] atao hoe [[Hanokà]] (hebreo: חג החנוכה / ''Hag HaHanukka'' "Fetin'ny fanorenana" na "Fetin'ny fanokanana") sy hahatsiaro ny fandresena noho ny nahafatesan'i Nikanora. Avy eo ny mpanoratra manambara fa hamintina asa soratra ara-tantara anatina boky dimy nosoratan'i JasonaJasôna avy any Kirena sady nanomboka ny fitantarany.
 
Indray andro ny mpitantana ny fanaka sy ny volan'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] atao hoe SimonaSimôna tsy nifanaraka amin'ny [[Mpisoronaben'i Israely|mpisorombe]]<nowiki/>n'i Israely tsara fanahy atao hoe OniasyÔniasy, ny amin'ny agoranomia (fisoloantenam-panjakana grika amin'ny faritany feheziny). Mba hahatonga azy handresy dia nilaza tamin'i ApoloniosyApôlôniosy, governoran'i [[Siria (faritra)|Siria]] sy an'i [[Foinikia]] izy fa ny fananan'ny Tempoly dia misy harem-be. Rehefa nandre izany ny mpanjaka [[Seleokosy IV Filopatora|Seleokosy IV]] dia naniraka ny minisitrany atao hoe HeliodoraHeliôdôra mba haka an-keriny izany harena izany.
 
Nanazava i OniasyÔniasy fa ireo vola ireo dia napetraky ny vehivavy mpitondratena sy ny kamboty ary mpanan-karena iray avy amin'ny fianakavian'ny Tobiada atao hoe Hirkana, sady ireo olona ireo dia tsy azo verezin-tombontsoa.
 
== Foto-pampianarana ao amin'ny boky ==
Ny Boky faharoan'ny Makabeo dia maneho lohahevitra maro avy amin'ny fivavahana jiosyjody fariseofarizianina izay hita koa ao amin'ny teolojia[[Teolojia|teôlôjia]] katolikakatôlika sy ny teolojiateôlôjia ortodoksaôrtôdôksa tatsinanana. Ny lohahevitra ara-poto-pampianarana ao amin'io boky io dia ahitana:
 
* ny vavaka ho an'ny olona efa maty sy ny fanaovana fanati-pisoronana hanesorana ny fahotany (2Mak. 12.42-45);
* ny fiheverana fa mendrika ny hahazo valisoa ny martira;
* ny fanelanelanan'ny ataon'ny olona masina (2Mak. 15.11-17) araka ny fivoasana kristiana: ny vavak'i [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]] ao an-danitra dia raisin'ny Katolika ho porofo ara-[[Baiboly]] momba ny fanelanelanana ataon'ny olona masina (2Mak. 15.14)<ref name=":1"><small>James Akin, [http://www.ewtn.com/library/ANSWERS/DEUTEROS.htm Defending the Deuterocanonicals]</small></ref>;
* ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan-ko velona]];
* ny firesahana manokana ny amin'ny famoronana avy amin'ny tsy misy (latina: ''creatio ex nihilo'') (2Mak. 7.28).
 
Ireo fanoritsoritana lava momba ireo fampijaliana martiran'i Eleazara sy momba ilay reny sy ny zanany lahy fito (2Mak. 6.18 – 7.42) dia nahatonga ireo Kristiana tamin'ny [[Andro Antenantenany]] hamoron-javatra an-tsaina. Maro ireo fiangonana atokana ho an'ireo "martira makabeana" isan'ireo olo-malaza talohan'ny andro kristiana izay hita amin'ny tetiandro litorjika katolika momba ireo andro masina. Maro dia maro kokoa izy ireo ao amin'ny tetiandro litorjika ortodoksa tatsinanana. Heverina ho modely voalohany ho an'ny tantaran'ny martira tamin'ny Andro Antenantenany io boky io.
 
Ilay mpiady hevitra teolojiaka (apolojista) katolika Jimmy Akin dia nanao fandinihana momba ny voalazan'ny [[Epistily ho an'ny Hebreo]] (Heb. 11.35: "''Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra''") sady manamarika fa io fanantenana ny fiainana mandrakizay aorian'ny fampijaliana dia tsy hita na aiza na aiza ao amin'ireo boky protokanonika ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] (izany hoe ny [[kanona]] hebreo na kanonan'ny Testamenta Taloha ao amin'ny [[Baiboly protestanta]]), nefa hita ao amin'io boky io (2Mak. 7)<ref name=":1" />.
 
== Jereo koa: ==