Ketuvim: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Ketuvim''' na '''Ketubim''' ("soratra") dia fitambaran’ireo boky iraika ambin’ny folo mamorona ny fizaràna fahatelo sady farany ao amin’ny Baiboly hebreo (na [[Tanakh]]). Tsy afangaro amin'ny lazain'ny Kristiana hoe "[[Bokim-pahendrena (Baiboly)|bokim-pahendrena]]" ny Ketuvim na "Soratra" ao amin'ny [[Baiboly hebreo]].
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe כְּתוּבִים / ''ketuvim'' na ''ketubim'' dia [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] amin'ny endriny milaza maro izay midika hoe "soratra".
 
== Ny fanasokajiana ireo boky ao amin’ny Ketuvim ==
Misy sokajy telo ny boky ao amin’ny Ketuvim, dia ireo ao amin’ny hoe סִפְרֵי אֶמֶת / ''Sifrei Emet'' sy ny hoe חמש מגילות / ''Hamesh Megilot'' ary ireo boky sisa.
 
=== Ny ''Sifrei Emet'' na ''Bokim-Pahamarinana'' ===
Ny teny hoe סִפְרֵי / ''sifrei'' dia midika hoe "horonam-boky". Ny hoe ''Emet'' dia fanafohezana ny fifanarakarahan'ny anaran'ireo boky telo mitambatra ao aminy avy ambany mianambony, nefa afaka midika hoe "fahamarinana". Telo ireo boky ao amin’ny סִפְרֵי אֶמֶת / ''Sifrei Emet'', dia ireto avy :
* ''Sefer Tehillim'' (ספר תְּהִלִּים) ([[Bokin'ny Salamo|Salamo]])
 
* ''Sefer Mishlei'' (ספר מִשְלֵי)([[Bokin'ny Ohabolana|Ohabolana]])
 
* ''Sefer Iyyôb'' (ספר אִיּוֹב) ([[Bokin'i Joba|Joba]])
 
=== Ny ''Hamesh Megilot'' na ''Horonana Dimy'' ===
Misy dimy ireo boky atao hoe ''Hamesh Megilot'', izay midika hoe "horonam-boky dimy", dia ireto avy :
* ''Sefer Shir Hashirim'' (ספר שִׁיר הַשִּׁירִים) ([[Tononkiran'i Solomona|Tononkira Fanaperana]])
 
* ''Sefer Ruth'' (ספר רות) na ''Megillat Ruth'' (מגילת רות) ([[Bokin'i Rota|Rota]])
 
* ''Sefer Eikhah'' (ספר אֵיכָה) ([[Bokin'ny Fitomaniana|Fitomaniana]])
 
* ''Sefer Qoheleth'' (ספר קֹהֶלֶת) ([[Bokin'ny Mpitoriteny|Mpitoriteny]])
 
* ''Sefer Ester'' (ספר אסתר) na ''Megillat Ester'' (מגילת אסתר) ([[Bokin'i Estera|Estera]])
 
=== Ireo boky sisa ===
Tsy misy anarana manokana hanasokajiana azy ireo boky sisa ao amin’ny Ketuvim izay miisa telo, dia ireto avy:
* ''Sefer Daniel'' (ספר דָּנִיֵּאל) ([[Bokin'i Daniela|Daniela]])
 
* ''[[Boky Ezra-Nehemia|Sefer Ezra wu Nekhem'ya]]'' (ספר עזרא נחמיה) ([[Bokin'i Ezra|Ezra]] sy [[Bokin'i Nehemia|Nehemia]] mitambatra)
 
* ''Sefer Divrei haYamim'' (ספר דִּבְרֵי־הַיָּמִים) ([[Bokin'ny Tantara|Tantara]])
 
Marihina fa mitambatra ho boky iray ny Bokin'i Ezra sy ny Bokin'i Nehemia izay misaraka ao amin'ny Baiboly kristiana, torak'izany koa ireo [[Bokin'ny Tantara]] ([[Boky voalohan'ny Tantara|1Tantara]] sy [[Boky faharoan'ny Tantara|2Tantara]]).