Joany Hirkano II: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-6:
Tamin'ny taona 63 tal. J.K. dia nandray anjara tamin'ny ady hakana an'i Jerosalema i [[Pompeio]], mpitari-tafika romana, ka nahatonga an'i Aristobolo II sy ny fianakaviany akaiky ary ny Jiosy hafa maro koa hisesy tany any Roma. Naverina amin'ny maha mpanjaka sy mpisoronabe azy indray i Joany Hirkano II. Nahenan'i Pompeio ny tanin'ny Jiosy tao Palestina. Taorian'ny fahafatesan'i Pompeio (taona 48 tal. J.K.) dia nanohana an'i [[Joliosy Kaisara|Jolio Kaisara]] i Joany Hirkano II sy Antipatrosy ka ho takalon'izany dia natao governora romanan'i Jodea (prokoratora) i Antipatrosy. I Hirkana II kosa natao mpisoronabe izay nomena ampaham-pahefana ara-politika. Naverina amin'ny Jiosy indray ireo tany nesorin'i Pompeio taminy sady nesorina avy ao Jodea ny miaramila romana.
 
Nisy namono i Jolio Kaisara tamin'ny taona 44 tal. J.K. ary i Antipatrosy koa tamin'ny taona 43 tal. J.K. Tamin'ny taona 40 tal. J.K. dia nisambotra an'i Joany Hirkano II tamin'ny alalan'ny tafiky ny Parta i Antigonosy II zanak'i Aristobolo II. Nanandratra ny tenany ho mpanjakan'i Jodea i Antigonosy II nefa tamin'ny taona 39 tal. J.K. ny Loholona romana dia nametraka an'i [[Heroda Lehibe|Heroda I Lehibe]] ho mpanjakan'i Jodea. Nalefa tany Jodea i Heroda nitondra tafika romana ka nisambotra an'i Antogonosy II tamin'ny taona 37 tal. J.K. sy namono azy avy eo.
 
Naverina hody any Jerosalema i Joany Hirkano II izay efa antidahy. Nandray anjara tamin'ny tetika hamonoana an'i Heroda anefa i Hirkano II ka novonoina tamin'ny taona 30 tal. J.K.