Jerôma avy any Stridôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-16:
Taorian'ny fianarana nataony tao Roma dia nitoka-monina tany an-tany efitra izy dia nanao fiainana mikatsaka ny fahafahan’ny fanahy amin’ny alalan'ny fampijalian-tena, sady tany izy no nanohy ny fandalinana ny [[Soratra Masina]]. Tamin'ny taona 379 izy dia nohamasinina ho [[pretra]]. Nandany telo taona tao Konstantiniopolisy niaraka tamin'i [[Gregorio avy any Nanzianzo]], izay isan’ny "rain'ny Fiangonana" taty aoriana, izy avy eo.
 
Tamin’ny taona 382 izy dia nody any Roma ka nisahana ny asa fitanana an-tsoratry ny papa [[Damaso I]]. Nandeha tany amin'ny Tany Masina izy tamin'ny taona 385. Niorim-ponenana tao [[Betlehema]] izy tamin’ny taona 386. Nanohy ny asa fanoratany tao i Hieronimo sady nanomboka niady hevitra tamin'ny mpanohana ny [[pelagianisma]]<ref><small>Ny pelagianisma dia mampianatra ny fananan’ny olombelona safidy malalaka sy ny tsy filàna ny fahasoavana sy ny fanavotana avy amin'Andriamanita.</small></ref> ary tamin'ny moanina teololiana Tiranio Rofino (na Rofino avy any Akoilea) sy tamin'ny [[Aogostino avy any Hipona/ Hipo]], ilay isan'ny "[[mpampianatry ny Fiangonana]]" taty aoriana (Md Aogostino). Ny tsy fifanarahan-kevitra nifanoheran'ireo mpanohana ny pelagianisma dia nahatonga an'i Hieronimo hiafina nandritra ny roa taona teo ho eo. Maty izy fotoana vitsy taorian'ny fiverenany tao Betlehema tamin'ny taona 419 na 420.
 
== Jereo koa ==