Dariôsy I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Darius Ier ho Dariosy I i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
{{infobox olona
|sary= Darius In Parse.JPG
|anarana=DariusDariosy IerI
|teraka=1550 Janoarytal. -550J.K.
|maty=1486 Janoarytal. -486J.K.
|firenena=IranIràna
|mpiaraka=
|asa=
Andalana faha-10:
|taona niasàna=
}}
I '''Dariosa I Lehibe''' na '''Dariosy I Lehibe''' dia mpanjakan'i [[Persia]] teo anelanelan'ny taona 521 sy 486 tal. J.K. izay isan'ny fianakaviana [[akemenida]]. Tamin'ny taona 558 izy no teraka ary maty tamin'ny taona 486 tal. J.K.
'''Darius Ier''' dia mizaka ny zom-pirenen'i [[Iran]] teraka ny 1 Janoary -550 ary maty ny 1 Janoary -486
 
==Ny fiainany manokana==
Zanaky ny governora persiana atao hoe Histapesy sady zafikelin'i Arsamesy i Dariosa I.
I Hystaspes no rainy. Ny vadiny dia Atossa, Artystone, Parmys. Ny zanany dia Xerxes, Abrocomes, Arsames, Gobryas, Artobazanes, Ariabignes, Ariamenes, Artazostre, Masistes.
 
Ny vadiny dia i Atosa sy i Artistone ary i Parmisy. Ny zanany dia i Ksererksesy, i Abrokomesy, i Arsamesy, i Gobriasy, i Artobazanesy, i Ariabignesy, i Ariamenesy, i Artazostre ary i Masistesy.
 
== Ny tantarany ==
Tamin'ny taona 522 tal. J.K. tamin'ny nahafatesan'i Kambisesy II dia misy [[Magy]] (mpisorona persiana) izay niezaka naka ny fitondrana ho an'ny iray amin'izy ireo, dia i Gaomata izay nisandoka ho i Bardia (ataon'ny Grika hoe Smerdisy) zanak'i Kirosy II. Tamin'ny taona 521 tal. J.K. i Dariosa I dia nampamono an'i Gaomata ka lasa mpanjakan'i Persia amin'izay.
 
Nananao izay hampitsahatra ny fikomiana maro i Dariosa I tamin'ny roa taona voalohany nitondrany. Ny lehibe indrindra tamin'izany fikomiana izany dia ny tao [[Babilona]]. Niezaka nandamina ny fanjakana i Dariosa I. Nozarainy ho faritany (na satrapia) 20 ny tanim-panjakany, ka nampifandraisiny tamin'ny alalan'ny lalalana maro ny faritra rehatra. Nampangady lakandrano mampitohy an'i [[Nily]] amin'ny [[Ranomasina Mena]] koa izy, ka nampiroborobo ny raharaham-barotra izany sady izy no nampanamboatra vola voalohany, dia ny vola darika volamena. Nataony tao Persepolisy (izay ataon'ny Pesiana hoe ''Takht-e Jamshid'') ny renivohitry ny fanjakàny, izay nanorenany trano sy lapa lehibe miezinezina, dia ny lapa (persiana: ''āpādānā'') izay fandraisany olona fanaovany fety.
 
Navelany ka tsy nenjehiny ny fivavahana maro hafa ka izany no nahatonga ny [[Jiosy]] hanaja azy, dia ny Jiosy izay navelany hanaboatra ny [[Tempoly Faharoa|Tempolin'i Jerosalema]] tamin'ny taona 516 tal J.K. Nanaja azy koa ny Egiptiana izay nanana mpisorona lasa mpanolo-tsaina an'i Dariosa I.
 
Mba hiarovany ny sisin-tanin'ny fanjakany dia niezaka naka tany nanamorona ny renirano Indosy any atsinanana sy any Kaokazy any avaratra atsinanana i Dariosa I, nefa tsy nahomby izany tamin'ny taona 516 tal. J.K. tamin'ny nandefasany miaramila hiady amin'ireo foko tao Danoba.
 
Tamin'ny taona 499 tal. J.K. dia maro ireo mpila ravin'ahitra grika avy any Azia Minora nikomy tamin'ny mpanjaka persiana. Rehefa nitsahatra ny fikomiana tamin'ny taona 493 tal. J.K. dia tapa-kevitra haka an'i Grisia (na Gresy), ka nandefa tafika hanafay ny tananan'i Atena izay nanohana ny mpikomy. Izany no niantombohan'ny adin'ny Grika sy ny Persiana akemenida. Tamin'ny taona 492 tal. J.K. dia ny tafika notarihin'i Mardoniosy vinanton'i Dariosa I niampita an'i Bosfora (andilan-tany mampitohy ny [[Ranomasina Mainty]] amin'ny Ranomasina Marmara) ka niditra tao Traka (grika: Θρᾴκη / ''Thrákê''). Tsy tody tany Grisia anefa izany satria rendrika teo akaikin'ny tanjon'ny tendrombohitra Atosy ny antsasaky ny andian-tsambo saika hanampy azy. Tamin'ny taona 490 tal. J.K. dia nandefa tafika matanjaka nobaikoin'i Artafernesy (persiana: ''Irdanirpa'') (ana-drahalahin'i Dariosa I) sy ilay Mediana atao hoe Datisy ny Persiana niditra tao Grisia avy ao avaratra, nefa resy tamin'ny ady tao Maratona.
 
Matin'aretina tamin'ny taona 486 tal. J.K. i Dariosa I, raha niomana hitarika tafika fanintelony hiady amin'ny Ateniana izy.
 
== Jereo koa ==
 
* [[Biôgrafia]]
* [[Akemenida]]
 
=== Ireo mpanjaka akemenida nifandimby ===
 
==== Ny tsy azo antoka fa mety noforonin'i Dariosy I: ====
Akemenesy - Teispesy - Kirosy I - Ariaramnesy - Kambisosy I - Arsamesy
 
==== Ny azo antoka: ====
Kirosy II Lehibe - Kambisosy II - Bardia - Dariosy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sogdianosy - Dariosa II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariosy III.
 
===Rohy ivelany===
Ligne 20 ⟶ 46 :
 
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:Teraka tamin'ny taona -550]]
[[sokajy:Maty tamin'ny taona -486]]