Megidô: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
 
Tamin'ny fiandohan'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. dia azon'ny [[Amorita]], izay vahoaka siriana, ilay tanàna. Azon'ny [[farao]] Totmosisy III tamin'ny Siriana ilay tanàna (taonjato hafa-15 tal. J.K.). Maro ny fandravana nahazo an'ilay tanàna, i [[Solomona]] (Salômôna) no nanamboatra azy indray taty aoriana ka nanisy azy manda lehibe. Nisy tonelina nampitohy azy amin'ny loharano avy any ivelany izay niantoka ny famatsian-drano raha misy fahirano. Nalain'ny [[Asiriana]] i Megido tamin'ny taona 753 tal. J.K., avy eo azon'ny Egiptiana koa tamin'ny taona 609 tal. J.K. (tamin'ny alalan'ny ady nifanaovan'ny farao Nekao II sy ny mpanjaka [[Josia (mpanjakan'i Jodà)|Josia]] izay maty tain'izany) ary fotoana kely taty aoriana dia azon'ny [[Persia|Persiana]] koa.
 
I Megido amin'izao fotoana izao dia tanàna miorina any amin’ny 40 km ao atsimo atsinanan'ny tapany atsimon'ny [[Ranomasin'i Galilia]], ao amin’ny lembalamban’ny renirano Kisona ao [[Israely]].
 
== Jereo koa ==