Efesôsy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy nofotsiana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Efesosy
Andalana faha-1:
[[Sary:Artemis of Ephesus.jpg|vignette|Sarivongan'i Artemisy tao Efeso.]]
I '''Efesosy''' na '''Efeso''' na '''Efezy''' dia iray amin'ireo tanana tranainy indrindra sy nanana ny maha izy azy amin'ireo tanan-dehibe grika tany Asia Minora, ka izy no tanàna voalohany tao Ionia. Atao hoe ''Ἔφεσος'' / ''Éphesos'' izy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] fa ''Ephesus'' kosa amin'ny [[teny latina]] ary ''Apaša'' amin'ny [[Fiteny hitita|teny hitita]] (na heteana).
 
Na dia any amin'ny fito kilometatra any an-tanety miala avy amin'ny sisin-dranomasina, eo akaikin'ny tanànan'i Selçuk sy Kuşadası ao amin'ny tapany andefan'i [[Torkia]] ankehitriny, aza ny sisam-paharavan'i Efeso dia isan'ireo seranan-tsambo lehibe tao amin'ny Ranomasina Egea (grika: ''Αιγαίο Πέλαγος'' / ''Aigaio pélagos'') izy; tao akaikin'ny fivarinan'ny ony anatoliana atao hoe Kaistra (grika: ''Κάϋστρος'' / ''Kaustros'') izy.
 
Ilay fitoerana masina atao hoe Artemisio, izay natokana ho an'ny andriamanitra Artemisy (grika: Ἄρτεμις / ''Ártemis'') mpiahy ny tanàna, dia isan'ireo Zava-mahagaga Fito eto amin'izao tontolo izao sady isan'ireo nampalaza an'i Efeso, ary tao amoron-drano no nisy azy.
 
Vokatry ny tany nentin'ny onin'i Kaistra sy ny fiovaovan'ny toetany ary angamba ny horohorontany no nahatonga ny fikisahan'ny morontsiraka any andrefana sy ny fanotoran'ny fasika ny serana-tsambon'ilay tanàna ka nahatonga ny fandaozana ny tanàna holasa haolo.