Peka (mpanjakan' i Israely): Fahasamihafan'ny versiona

tsy misy ambangovangom-panovana
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
I '''Peka''' na '''Fasea''' dia mpanjakan'i [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Israely]] nandritra ny dimy taona teo antenantenan'ny taonjato faha-8 tal. J.K. Zanak'i Remalia izy. Mpitari-tafiky ny mpanjaka [[Pekahia]] (na Faseia) izay novonoiny hakany ny fitondrana izy.
 
Lasa ambany fifehezan'i Rezona II mpanjakan'i Damasy (na Damaskosy) i Peka ka lasa nanafika an'i [[Ahaza]] (na Akaza) mpanjakan'i [[Fanjakanmpanjakan'i Jodà|Jodà]] izy sy ity mpanjaka ity. Nila fanampiana amin'i Teglata-Falasara mpanjakan'i [[Asiria]] i Ahaza ka nahazo izany nefa nanome an'i Teglata-Falasara ny volamena tao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ho takalon'izany. Azo tamin'i Peka ny tanànan'i Galaada (na Gileada) sy ny tanànan'i [[Galilea (faritra)|Galilea]] (na Galilia) ary ny tanin'ny [[Fokon'i Naftaly|fokon'i Naftaly]] (na Neftaly) sady [[Fahababoana tany Asiria|nafindra tany Asiria]] ny vahoaka tamin'ny taona 734 tal. J.K. Nanohy nanjaka tao Samaria i Peka nefa teo ambany fifehezan'i Teglata-Falasara. Novonoin'i [[Hosea (mpanjakan'i Israely)|Hosea]] (na Osea) i Peka tamin'ny taona 732 tal. J.K. ka ity mpamono azympamony ity no andimby azy teo amin'ny fitondrana.
 
Araka an'i William F. Bright dia nanjaka tamin'ny taona 748 hatramin'ny 732 tal. J.K. i Peka fa i Edwin R. Thiele kosa milaza fa tokony ho ny taona 740 hatramin'ny 732 izany.
 
== Ny anarany ==
Amin'ny [[Fiteny hebreo|fiteny hebreo]] dia פֶּ֨קַח‎ / ''Peqaḥ'' no anaran'i Peka.
 
30 754

modifications