Soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Soratanan'ny Ranomasina Maty
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty''', izay atao hoe '''Soratanam-piraketan'i Komràno''', dia fitambarana horonan-tsoratra natao tanana amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] sy amin'ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] izay hita teo anelanelanny taona 1947 sy 1956 tanaty zohy miisa 11 tao amin'ny tendro avaratra andrefan'ny [[Ranomasina Maty]] ao amin'ny faritr'i [[Komràno]] any Jordania. Tamin'ny hoditra na tamin'ny [[taratasy zozoro]] (papiry) no nanaovana ireo soratanana ireo izay miisa 900 any ho any, ny sasany voatahiry tsara fa ny hafa efa misy fahasimbana, ka heverina fa sekta tao amin'ny fivavahana jiosy atao hoe [[Eseniana]] no nitahiry azy ireo.
 
Ireo horonan-tsoratra ireo dia ahitana misy horonana torolalana amin'ny fifehezanafitsipi-pifehezana, fihirana, fivoasana ny [[Baiboly hebreo]] ary [[Literatiora apokaliptika|lahatsoratra apokaliptika]] maro, ka isan'izany ny ampahany lehibe saika izy manontolo amin'ny fandikana ny [[Bokin'i Isaia]] tranainy indrindra, sy sombiny maro amin'ny bokin'ny [[Testamenta Taloha]], afa-tsy ny [[Bokin'i Estera]]. Nahitana lahatsoratra amin'ny fiteny fototra amin'ny boky sokajina ho [[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifa]] sy [[Pseodepigrafa (Baiboly)|pseodfepigrafa]], izay tsy tafiditra ao amin'ny [[Soratra Masina|Soratra Masin]]'ny [[jodaisma]] tao, ka isan'izany ny [[Bokin'i Tobia]], ny [[Bokin'i Siràka]], ny [[Bokin'ny Jobily]], andalana maro amin'ny [[Bokin'i Henoka]] aty ny [[Testamentan'i Levy]], izay tsy fantatra ao amin'ireo dikan-teny grika sy siriaka sy latina ary etiopiana.
 
== Zavatra hita tao amin'ireo soratanana ==
Ireo boky torolalana momba ny fitsipi-pifehezana dia milaza fa ny antokom-pivavahana jiosy tao Komràno dia sahala amin'ny Tranon'i Israely izay natao hanomana ny lalana halehan'ny fiavian'ny [[Fanjakan'Andriamanitra]] sy ny [[andron'ny fitsarana]]. Ity antokom-pinoana ity dia nalamina mifanaraka amin'ny firafetan'i Israely tamin'ny andron'i [[Mosesy]] (na Môizy).
 
Ny mpino ao amin'io antoko io dia mandalo fotoam-pizahan-toetra maharitra roa na telo taona alohan'ny hametrahana azy amin'ny ambaratongam-pahadiovana tandrify ny toetrany. Ny fandrosoana na ny fihemirana amin'izany dingana izany dia anaovana fifidianana amin'ny fivoriana isan-taona. Ny fitarihana ara-panahy dia ankinina amin'ny pretra telo izay ampian'ny loholona ("antidahy") tsotra roa ambin'ny folo, ary ny antokom-panapahan-kevitra tsirairay dia tantanan'ny tomponandraikitra izay mitovitovy sata amin'ny eveka. Ireo tompnandraikitra ireo dia eo ambany fahefan'ny arseveka na andriandahy iray. Ny fandalinana ny Lalàna (Taorah), izay fizaràna voalohany ao amin'ny Baiboly hebreo, dia zavatra tsy maintsy atao ary ny fivoasana azy marina dia nampitaina amin'ny alalan'ny mpampianatra ara-panahy atao hoe "mpanao heviteny marina" na "tompon'ny fahamarinana". Ny vanimpotoana isian'ilay antokom-pivavahana dia mifarana amin'ny fiavian'ny mpanao fivoasana sy mpaminany vaovao, araka ny Bokin'ny Deoteronomia (Deo. 18.18). Ahitana toromarika momba ny ady farany hifanaovan'ny "zanaky ny fahazavana" sy ny "zanaky ny fahamaizinana" ny iray amin'ny soratanana.
 
Ny fifanahafana eo amin'ny finoana sy ny fanao resehina ao amin'ny soratanam-piraketana sy ireo izay lazain'i [[Filo avy any Aleksandria]] sy i [[Flavio Josefa]] fa an'ny Eseniana dia mahatonga ny mpikaroka maro hihevitra fa io antokom-pinoana jiosy tao Komràno io dia manam-pifandraisana amin'ny Eseniana. Hamafisin'ny asasoratra nataon'i [[Plinio Zokiny]] izany fampitovizana ny sekta roa izany, dia i Plinio izay nitatitra fa nonina tao amin'ny faritr'i Kirbeta Komràno ny Eseniana. Ny mpanoratra sasany dia manantitra ny fahasamihafan'ny sekta tao Komràno sy ny Eseniana ka mihevitra fa samlu hafa nefa misy fitoviana fotsiny izy roa tonta ireo fa tsy zavatra tokana.
 
== Ny lanjan'ny soratanam-piraketana tao Komràno ==
<br />