Pseodepigrafa (Testamenta Vaovao): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny pseodepigrafa ao amin'ny Testamenta Vaovao dia boky maro ao amin'ny Testamenta Vaovao, ao amin'ny Baiboly kristiana izay heverin'ny ankamaroan'ny mpikaroka fa tsy nosoratan'ilay olona lazaina fa nanoratra azy, isan'izany ny enina amin'ny [[Epistilin'i Paoly|Epistily telo ambin'ny folon'i Paoly]], ireo [[Epistily katolika|Epistily atao hoe katolika]], ny [[Evanjelin'i Matio]] sy ny [[Evanjelin'i Joany]]. Ireo evanjely roa ireo dia voalaza araka ny [[lovantsofina]] kristiana fa nosoratan'i [[Matio]] sy i [[Jaona (evanjelistra)|Joany]], nefa tsy manohana izany lovantsofina izany intsony ny mpikarokana tantara ankehitriny.
 
== Ny Episty lazaina fa nosoratanEpistilin'i Paoly ==
 
=== Epistily tena nosoratan'i Paoly ===
Andalana faha-8:
=== Epistily pseodepigrafa ===
Ny enina amin'ireo epistily amin'ny anaran'i Paoly dia heverina fa pseodepigrafa (2).
 
==== Epistily deotero-paoliniana ====
 
* Ny "epistily deotero-paoliniana", izay nosoratan'olona akaiky an'i Paoly, dia soratry ny mpianany taranaka voalohany:
Ligne 13 ⟶ 15 :
** Epistily ho an'ny Efesiana, izay nosoratana tokony ho tamin'ny taona 90 (5);
** Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana.
 
==== Epistily trito-paoliniana ====
 
* Ny epistily pastoraly na "epistily trito-paoliniana" telo, izay voasoratry ny mpianany taty aoriana (6):
** Epistily voalohany ho an'i Timoty, izay voasoratra tokony ho tamin'ny faran'ny taonjato voalohany (7);
** Epistily faharoa ho an'i Timoty, izay voasoratra tamin'ny faran'ny taonjato voalohany (8);
** Epistily ho an'i Titosy, izay voasoratra tamin'ny faran'ny taonjato voalohany (9).
 
== Epistily katolika ==
Voasoratra taloha kelin'ny Epistily katolika ny Epistily ho an'ny Hebreo izay tsy azo lazaina hoe epigrafia satria tsy mitondra anaran'olona nanoratra azy. Tokony ho nosoratana tao amin'ny tontolo grika (helenista) tao Palestina teo anelanelan'ny taona 86 sy 96 io epistily io (10).
 
Ireto epistily ireto no heverina fa pseodepigrafa:
 
* Epistily nosoratan'i Jakoba, izay voasoratra tokony tao Palestina teo a,elanelan'ny taona 80 sy 90 (10);
* Epistily voalohany nosoratan'i Petera, izay mety nosoratan'i Petera tokoa nefa amin'ny fotoana tsy fantatra (10);
* Epistily faharoa nosoratan'i Petera, izay mety nosoratana tamin'ny taona 125 sady mety fanoratana fanindroany ny Epistily nosoratan'i Joda (10);
* Epistily voalohany nosoratan'i Joany, izay voasoratra tokony tamin'ny taona 90 sady voasoratra taorian'ny Epistily faharoa sy fahatelo nosoratan'i Joany (10);
* Ny Epistily faharoa nosoratan'i Joany, izay voasoratra tao Azia tamin'ny fotoana tsy fantatra (10);
* Epistily fahatelo nosoratan'i Joany, izay voasoratra tao Azia tamin'ny fotoana tsy fantatra (10);
* Épître de Jude (Jude). Date et lieu probables : v. 90, peut-être Palestine(10).
* Epistily nosoratan'i Jodan, izay voasoratra tokony tamin'ny taona 90 tao Palestina (10).