Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy vaovao momba ny kristianisma
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-1:
Ny [[Fiangonana ortodoksa teoahedo]] dia isan'ny [[Fiangonana ortodoksa tatsinanana]] sady ao amin'ny Fiombonan'ny Fiagonana Ortodoksa Tatsinanana. Izy no fiangonana ortodoksa miely indrindra ao Etiopia sy ao Eritrea. Mandraka amin'ny taona 1959 dia teo ambany fandraharahan'ny Fiangonana Ortodoksa Kopta ny Fiangonana ortodoksa teoahedo. Nahazo ny fahaleovan-tenany ara-pitondrana izy taorian'io taona io ka manana ny Patriarkany manokana. Rehefa nahazo fahaleovan-tena ka nisaraka tamin'i Etiopia i Eritrea tamin'ny taona 1993 dia nahazo ny fahaleovan-tenany koa ny [[Fiangonana ortodoksa teoahedo eritreana|Fiangonana Ortodoksa Teoahedo Eritreana]] ka tafasaraka tamin'ny [[Fiangonana ortodoksa teoahedo etiopiana|Fiangonana Ortodoksa Teoahedo Etiopiana]]. Miavaka ny Fiangonana teoahedo noho ny hamaron'ny [[Kanonan'ny Baiboly ortodoksa teoahedo|boky tafiditra ao amin'ny Baiboly]] ampiasainy izay mihoatra lavitra ny hita ao amin'ny Baibolin'ny fiangonana hafa na Katolika na Ortodoksa.
 
== Jereo koa: ==