Hagara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Naitatra sy nanisy sary
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy sns
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Hagar and Ishmael in desert (Grigoriy Ugryumov).jpg|vignette|351x351px|''I Hagara sy i Ismaela tany an-tany efitra'', nataon'i Grigoriy Ugryumov.]]
I '''[[Hagara]]''' dia vehivavy resahina ao amin'ny [[Baiboly]] izay voalaza fa mpanompovavin'i [[Saraha]] (vadin'i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]]) avy any Egipta sady renin'i [[Ismaela]] zanak'i [[Abrahama]] voalohany. I [[Saraha]] no nanome alalana an'i Abrahama vadiny hanambady an'i Hagara mba hahanany taranaka. Tsy nifanaraka tamin'i Saraha i Hagara ka lasa nadositra tany an-tany efitra. Nampanantenain'ny [[anjely]] i Hagara fa hiteraka zazalahy ka niverina tany amin'i Abrahama indray ary niteraka an'i [[Ismaela]]. Sitrana ihany ny hamomban'i Saraha izay efa antitra ka niteraka an'i [[Isaka]]. Nampandroahin'i Saraha an'i Abrahama i Hagara sy ny zanany ka lasa tany an-tany efitra indray izy mianaka.
 
Amin'ny [[Silamo]] dia tena vadin'i Abrahama i Hagara ary zanak'i Abrahama tena tiany i Ismaela.
Andalana faha-7:
 
==== I Hagara ao amin'ny Testamenta Taloha ====
Ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] araka ny [[Bokin'ny Genesisy]] (na [[Jenezy]]) dia andriambavy egiptiana tao amin'ny lapan'ny [[Farao]] i Hagara nefa nanapa-kevitra hanaraka an'i Abrahama sy ny vadiny Saraha. Efa antitra sady momba i Saraha ka nomeny alalana i Abrahama hanambady an'i Hagara mba hahanana taranaka. Nitoe-jaza tamin'i Abrahama i Hagara ka tsy niraharaha an'i Saraha izay nanao toeran-tsy zaka taminy noho izany. Nandositra tany an-tany efitra i Hagara sy ny zanany nefa nampodin'ny [[anjely]] iray sady nasainy hanoa an'i Saraha. Naminany taminy ny hananany taranaka maro ilay anjely sady hatao hoe [[Ismaela]] (hebreo: ''Ishma-êl'' "mihaino Andriamanitra") ny anaran'ny zazalahy haterany. Izany fihaoan'ny anjely sy i Hagara izany dia niseho teo amin'ny lava-drano fantakana atao hoe Lahay-Roy eo anelanelan'i Kadesy sy i Bereda. Niteraka an'i Ismaela tokoa i Hagara tamin'ny faha-86 taonan'i Abrahama (Gen. 16).
[[Sary:Expulsion of Ishmael and His Mother.png|vignette|''Fandroahana an'i Ismaela sy ny reniny'' - nataon'i Gustave Doré]]
Nitoe-jaza tamin'i [[Abrahama]] ihany i [[Saraha]] tamin'ny farany ka niteraka an'i [[Isaka]] izay niara-notezaina tamin'i Ismaela. Tsy sitrak'i Saraha anefa ny hiarahan'i Ismaela handova amin'ny zanany ka nasainy nandroaka an'i Hagara mianaka i Abrahama. Mofo sy kitapo hoditra fitondran-drano no nomen'i Abrahaman hoentin'i Hagara sy ny zanany mirenireny any an-tany efitr'i Ber-Seva. Rehefa lany ny tao amin'ilay kitapo hoditra dia nandao an'i Ismaela teo ambody hazo iray i Hagara ka lasa niala lavitra azy mba tsy hahita ny hahafatesany. Nitomany i HgaraHagara ka henon'Andriamanitra izay nandefa anjely hankahery sy hitarika azy amin'ny toerana misy vovovovon-drano. Nilaza ilay anjely fa ho be voninahitra sady hanan-taranaka maro i Ismaela (Gen. 21.1-21). Nofenoin'i Hagara rano ilay kitapo hoditra hampisotroiny an'i Ismaela zanany izay nitambelona indray. Nanorim-ponenana tao amin'ny tany efitr'i Paràna i Hagara mianaka ka rehefa lehibe i [[Ismaela]] taty aoriana dia nampanambadiny vehivavy egiptiana (Gen. 21).
 
==== I Hagara ao amin'ny Testamenta Vaovao ====