Eskatôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
kAucun résumé des modifications |
k Rohy Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday |
||
Andalana faha-1:
Ny [[eskatolojia|'''eskatolojia''']] dia lahateny na fandinihana momba ny fiafaran'izao tontolo izao izay atao hoe koa [[andro farany]]. Ny [[teolojia]] sy ny [[Filôzôfia|filozofia]] dia samy ahitana firesahana momba ny andro farany sy ny zavatra hiseho amin'ny tantaran'izao tontolo izao na ny fiafaran'ny taranak'olombelona. Maro ireo fivavahana miresaka ny amin'ny andro farany ka samy manana ny eskatolojiany izy ireo ka ny fantatra indrindra amin'izany dia ny an'ny [[
Ny ankamaroan'ireo [[Monoteisma|fivavahana monoteista]] dia misy foto-pampianarana milaza fa
Ny eskatolojian'izao rehetra izao (eskatolojia kosmika) dia iresahana ny andro farany, sy koa indraindray ny [[fitsarana farany]] ary ny [[fitsanganana amin'ny maty]]. Ny eskatolojia isam-batan'olona kosa dia iresahana ny fiainana aorian'ny fahafatesana, ny hiafaran'ny fanahin'olombelona aorian'ny fahafatesan'ny vatana (izay hiseho amin'ny endrika maro samihafa: fandalovana ao amin'ny [[Hadesy]] ho an'ny finoana grika taloha na ao amin'ny [[Sheola]] ho an'ny Jiosy, ny fahatongavana ho nofo indray sns.)
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''eskatolojia'' dia fanagasiana ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] hoe ''eschatologie'' na ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] hoe ''eschatology'' izay avy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ἔσχατος / ''eskhatos'', "farany", sy hoe λόγος / ''lógos'', "teny", "resaka" na "fandalinana".
== Ny eskatolojian'ny jodaisma sy kristianisma ==
Andalana faha-15:
Ahitana andalana momba ny eskatolojia ny ao amin'ny [[Testamenta Taloha]], indrindra ny ao amin'ny [[Bokin'i Isaia]] (Is. 24-27; 56-66), ao amin'ny [[Bokin'i Joela]] (na Jôely) ary ny [[Bokin'i Zakaria]] (Zak. 9-14), ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] (na Daniely) ary ao amin'ny [[Bokin'i Mika]] (na Mikea) sy ny [[Bokin'i Amosa]] sy ny [[Bokin'i Zefania]] (na Sôfônia) ary ny [[Bokin'ny Salamo]].
Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny eskatolojia dia miompana amin'ny fiandrasana ny [[Mesia]]. Ny fiverenany ety an-tany dia hiaraka amin'ny [[fitsarana farany]] sy ny [[famonjena]] an'i [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Israely]] sy i [[Fanjakan'i Jodà|Jodà]]. Hisy famaizan'Andriamanitra hahazo ireo tsy nanaraka ny didiny. Hitsara ny vahoakany Andriamanitra (Salamo 96.13; Mika 6.1-3; Isaia 43.1-6) nefa izy ihany koa no mpanjakany (Isaia 51.11) sy mpiandry (Mika 4.6) ary mpanavotra azy (Isaia 51.11). Amin'ny [[Andron'i Iahveh]] (na Andron'i Jehovah) (Zefania 1.14-16) no hanovana izao rehetra izao sady hiavian'ny [[paradisa]]. Izany Andron'i Iahveh izany dia andro maizina (Amosa 5.18-49).
==== Ny eskatolojia ao amin'ny Testamenta Vaovao ====
Ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] dia betsaka ihany koa ny andalan-tsoratra masina mahakasika ny eskatolojia, indrindra ny ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Vaovao Mahafaly araka an'i Matio]] sy ao amin'ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsan'i Joany]]. Isan'izany ny fanoharana ny amin'ny Ondry sy ny Osy (Mat. 24). Ireo [[epistily]] koa dia miresaka ny amin'ny andro farany.
Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia miendrika fiambenana ny fiandrasana eskatolojika. Tokony hiambina sy hivavaka ny mpanara-dia an'i [[Jesosy|Jesosy Kristy]] satria akaiky ny fitsarana. Ao amin'ny Testamenta Vaovao amin'ny teny grika dia fampiasa ny teny hoe ἔσχατος / ''eskhatos'' hiresahana ny [[Fiavian'i Kristy fanindroany|fiavian'i Kristy]] ety an-tany fanindroany izay ho fanombohan'ny farany. Nampianatra i Jesosy nandritra ny fotoana nanatanterahany ny asany sy tamin'ny fotoana niakarany tany an-danitra fa hiverina indray ka hitsara ny velona sy ny maty. Ny [[Apokalipsan'i Joany]] dia manoritsoritra tanteraka ny fiafaran'izao tontolo izao, ny adin'ny Tsara amin'ny herin'ny Ratsy,
Mbola miafina amin'izao ny [[Fanjakan'Andriamanitra]] (Matio 13). Hoavy indray i Jesosy hitsara ny velona sy ny maty ka izany no atao hoe [[parosia]] (fisehoana fenon'Andriamanitra amin'ny olona rehetra)<ref><small>Amin'ny Vavolombelon'i Jehovah ny parosia dia tsy fisehoana fa fanatrehana ka efa manatrika izao i Jesosy Kristy na dia tsy hitan'ny maro aza.</small></ref>. Handrasana izany andro hiavian'ny mpamonjy sady Tompo izany ([[Epistily ho an'ny Filipiana|Filipiana]] 3.20).
=== Ny eskatolojia ao amin'ny
Ny faran'andro (na andro farany) dia voaresaka ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] sady atao amin'ny teny hebreo hoe אחרית הימים / ''A'harit HaYamim'' ("fiafaran'ny andro") ka ny dingana lehibe amin'izany dia ny atao hoe ימות המשיח / ''Yemot HaMashia'h'' ("ny Andron'ny Mesia"). Izany finoana izany dia hita ao amin'ny lohahevi-dehiben'i [[Maimonides|Maimonida]], izay lazainy ho ny fototry ny maha isan'ny vahoakan jiosy ny Jiosy tsirairay araka ny fivoasana nataony ao amin'ny ''Mishna Sinedriona'' izay nanehoana voalohany io petra-kevitra io.
Ny faran'andro, araka ny [[lovantsofina]], dia mizara vanim-potoana maromaro:
* ny ''Hevlei HaMashia'h'' (חבלי משיח) sy ny ''Ikbata deMeshi'ha'' (na ''Ikvot HaMashia'h'' / עקבתא דמשיחא) (famantarana ny Mesia). Izany fotoan'ny fahoriana eran-tany mialoha ny hahatongavan'ny [[Mesia]], izay hisehoan'ny adin'i [[Goga sy Magoga]], izany hoe ny adin'i Israely amin'ny firenana jentilisa, araka ny faminanian'i [[Ezekiela]] sy [[Zakaria mpaminany|Zakaria]]. Io ady apokaliptika io dia fantatra koa amin'ny anarana hoe [[Hara-magedona]].
* ny Fiverenan'ny mpaminany [[Elia]], izay hitondra ny Mesia,
* ny fiantombohan'ny fotoana mesianika:
**''T'hiyat hamètim'' ("[[Fitsanganan-ko velona|fitsangan'ny maty ho velona]]");
**''Yom HaDin'' ("andron'ny fitsarana");
** fametrahana ny ''Olam Haba'' ("tontolo hoavy") mandrakizay.
=== Eskatolojia ao amin'ny
Ho an'ny Kristiana dia misy zava-mitranga telo izay tokana ihany amin'Andriamanitra, dia:
Andalana faha-43:
* ny fiafaran'izao rehetra izao (zava-mitranga amin'ny andron'ny taranak'olombelona farany eto ambonin'ny tany): eskatolojian'izao rehetra izao na eskatolojia kosmika.
Hita ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] izany hevitra maron'ny andro farany izany. Ohatra ny ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Filazantsaran'i Matio]] (Mat. 24.37-42) izay iresahan'i Jesosy ny hiverenany amim-boninahitra any amin'ny andro farany. Voaresaka ao koa ny fahafatesan'ny lehilahy sy vehivavy iray.
Voaresaka ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|Filazantsaran'i Lioka]] ny amin'ny hahatongavan'i Jesosy toy ny mpangalatra amin'ny andro farany (Lio. 12.39-40).
Ireo Kristiana tamin'ny taonjato voalohany dia nihevitra fa hitranga fahavelon'izy ireo ny fiafaran'izao tontolo izao. Ampitahain'i Jesosy amin'ny fahararian'ny vehivavy efa hiteraka ny fiafaran'izao tontolo izao, izay midika fa efa bevohokan'ny fandravana azy izao tontolo, nefa Andriamanitra irery ihany no mahalala ny hisehoan'izany, araka by voasoratra ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Marka|Evanjelin'i Marka]] (Marka 13.8). Rehefa nenjehin'ny Romana ny Kristiana tao [[Tesalonika]] dia nino fa tonga ny andro farany. Nefa ny tsy fahafantarana ny tena marina dia nitohy hatramin'ny taona 90 taor. J.K. ka nanambara i [[Jostino Martira|Jostino Maritira]] fa nahemotr'Andriamanitra ny fiafaran'izao tontolo izao mba hahatonga ny Fivavahana kristiana hahenika an'izao tontolo izao. Tamin'ireo taona 250 dia nanoratra i [[Kipriano avy any Kartago]] fa ny fahotan'ny Kristiana tamin'izany andro izany dia fambara mialoha lalana ny fahantomotry ny [[andro farany]].
Araka ny tantara dia tsy nitovy hevitra ireo [[Teolojia|teolojiana]] ny amin'ny fisian'ny [[Arivo taona (kristianisma)|fanjakana arivo taonan'ny Kristy]] eto an-tany mandritra ireo andro farany<ref><small>Guillaume Bourin, «http://leboncombat.fr/comprendre-lapocalypse-oui-mais-comment/<nowiki/>» [<nowiki/>[[tahiry]]], sur ''www.leboncombat.fr'', 15/05/2014 (notsidihina 6/09/2014)</small></ref>.
Tamin'ny taonjato faha-3 anefa dia nino ny ankamaroan'ny Kristiana fa ny andro farany dia hitranga aorian'ny taranaka misy azy ireo; nihevitra izy ireo fa tsy neken'i Jesosy ireo [[fanandroana]] hamantatra ny
Taorian'ny taona 500 dia noheverina fa tsy zava-dehibe ho an'ny finoana kristiana ny andro farany, na dia misy ireo izay mbola manamafy izany amin'ny fotoan'ny [[Advento]].
|