Petera: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-3:
 
== Ny anarany ==
Ny hoe ''Petera'' dia fanagasiana ao amin'ny [[Baiboly malagasy|Baiboly protestanta malagasy]] ny hoe ''Peter'' amin'ny Baiboly anglisy. Ny hoe ''Piera'' dia fanagasiana ao amin'ny [[Baiboly malagasy|Baiboly katolika malagasy]] ny hoe ''Pierre'' amin'ny Baiboly frantsay. Samy avy amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Petrus'' izay avy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''Petros'' na ''Petra'' izay samy midika hoe "vato" ireo anarana ireo. Io teny grika io dia fandikana ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] (na aramaika) hoe '''''Kêphâ''''' izay midika hoe "vato" sady iantsoana an'i Petera indraindray. Simona na '''Simona Barjona''' na Bar-Jona no tena anaran'i Petera.
 
== Ny amin'i Petera araka ny Baiboly ==
Andalana faha-25:
 
=== Araka ny Asan'ny Apostoly sy ny Epistilin'i Paoly ===
Ny [[Asan'ny Apostoly]] dia maneho an'i Petera ho iray amin'ireo mpitarika malaza ny fiangonana krostiana voalohany. Taorian'ny [[Pentekosta]], izy no niteny sy nitory ny hafatra kristiana. Tamin'ny Konsily natao tao Jerosalema (tokony ho tamin'ny taona 50), dia nomba ny hadraisana ny Jentilisa ho isan'ny Fiangonana izy na dia tsy hitandrina ny lalàn'i [[Mosesy]] toy ny famorana; nefa nonome tsiny azy i Paoly tamin'ny nandeferany ny fomba fijerin'ireo kristiana mpandala ny fomba jiosy tao amin'ny fiangonana notarihin'i [[Jakoba ilay Marina|Jakoba Ilay Marina]], "rahalahin'ny Tompo", mpitarika ny fiangonana tao Jerosalema, izay mpitandrina voalohan'ny fiangonana kristiana (Asa 21.18) (jereo koa: Gal. 2.11-12).
 
Tamin'ny Konsily natao tao Jerosalema dia mety ho nanova ny fomba fijeriny i Petera. Nanokatra ny ady hevitra tamin'ny fanohanana ny hevitr'i Paoly izay tsy nanery ny Krisiana jentilisa hitandrina lalàn'i Mosesy. I Jakoba Ilay Marina, lohan'ny fiangonana tao Jerosalema, dia namarana ny Konsily tamin'ny fanekenana ny hevitr'i Petera sy i [[Paoly (apostoly)|Paoly]]. Afaka tamin'ny tsy maintsy hitandremana ny fomba jiosy ireo Kristiana jentilisa. Araka an'i Géza Vermes anefa, "mety ho andrana nataon'ny mpanoratra ny Asan'ny Apostoly mba hanotofany ny hantsana misy to amin'ireo olona nanana ny maha izy azy teo amin'ny Fiangonana (i Petera sy i Paoly), tamin'ny fanehoany an'i Petera ho ilay mpiaro ireo tsy Jiosy". Ny tolo-kevitr'i Petera izay mety amin'ireo Kristiana jentilisa, dia "mampiahiahy ara-tantara", "noho ny hevitr'i Petera nanomboka tao Antiokia, sy noho izy manohy ny asa fanirahana azy eo anivon'ny Jiosy irery ihany, tsy izay va, araka ny fomba fitenin'i Paoly "apostolin'ny tsy voafora", no ilay "apostolin'ny voafora", no ilay apostolin'ny tsy voafora" (Gal. 2.7) ?<ref><small>Géza Vermes, ''Dictionnaire des contemporains de Jésus'', Bayard, 2008, 296.</small></ref>.
Andalana faha-31:
Taorian'ny firesahana momba ny Konsilin'i Jerosalema dia tsy niresaka momba an'i Petera intsony ny Asan'ny Apostoly.
 
== Ireo soratra lazaina fa nosoratanan'i Petera ==
 
=== Ireo soratra kanonika ===