Kônsily ekiomenika: Fahasamihafan'ny versiona

Nanitatra
(Nanitatra)
(Nanitatra)
 
=== Ny Konsily voalohany tao Nikea (taona 325) ===
Ny Konsily voalohany tao Nikea (na Nisea) dia natao tamin'ny taona 325 ka ny emperora [[Konstantino (emperora)|Konstantino]] no nampiantso azy. Io no konsily voalohany. Izany dia natao mba handraiketana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy ka hanoherana ny fampianaran'i Ariosy ([[Arianisma (teolojia)|arianisma]]) izay noheverina ho [[fampianaran-diso]] tamin'izay. Tapaka fa mitovy fomba (''homoousia'') amin'ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] ny [[Andriamanitra Zanaka|Zanaka]] amin'ny maha [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] ny Ray sy ny Zanaka. Navoaka ny [[Fanekem-pinoana nikeana]]. Araka ny lovantsofina dia i Nikolasy avy any Mira (izay fantatra amin'ny hoe Masindahy Nikolà) sy i Spiridona avy any Trimitonta dia nandray anjara betsaka tamin'io konsily io.
 
=== Ny Konsily voalohany tao Konstantinopoly (taona 381) ===
Nanamafisana ny zavatra tapaka tao amin'ny Kosilin'i Nikea ny Konsily voalohany tao Konstatinopoly izay nanalavana ny Fanekem-pinoana nikenana ka lasa [[Fanekem-pinoana nikeana|Fanekem-pinoan'i Nikea sy Konstantinopoly]]. Io no konsily faharoa. Ny emperora Teodosio I no mampamory tamin'izany. Tapaka fa Andriamanitra koa ny [[Fanahy Masina]]. Tsy nandray anjara tamin'io ny [[Fiangonana Latina|Fiangonana latina]].
 
Io kosily io dia nanameloka ny fampianaran'i Makedoniko sy ireo pneomatomaka izay nanda ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina. Nohamafisiny ny maha Andriamanitra an'i Kristy sady nambarany fa Andriamanitra koa ny Fanahy Masina ary noraiketiny ilay fanekem-pinoana natao tamin'ny konsily voalohany tao Nikea. Io konsily io koa no nanome fahamboniana fara tampony ny evekan'i Roma sy ny an'i Kostantinoply amin'ny eveka rehetra.
 
=== Ny Konsily tao Efeso (taona 431) ===
Ny Konsily tao Efeso (na Efesosy na Efezy) dia nanapahana ny maha [[Renin'Andriamanitra]] (gr.: ''Theotokos'') an'i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]]. Iono konsily fahatelo. Nivoaka noho izany ny Fanekem-pinoan'i Efezy. Tsy eken'ny Protestanta ny fiantsoana an'i Maria ho Renin'Andriamanitra. Nitsipahana ny [[nestorianisma]] koa izany.
 
Nanambara ny maha tokana tsy mizara an'i Kristy hatrany am-bohoka ny konsily sady niantso an'i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] hoe ''[[Theotokos]]'' ("Renin'Andriamanitra"), izany hoe renin'ilay Andriamanitra ara-natiora. Nohelohiny ny fampianaran'i Nestoriosy, patriarkan'i Konstantinopoly izay nampianatra (mba tsy hampifangaroana ny olona atao hoe [[Jesosy]] sy ny Logos izay an'Andriamanitra) fa i Maria Virjiny dia tsy niteraka afa-tsy olombelona izay manana fifamatorana tsy azo foanana amin'ny ''Logos''n'Andriamanitra. I Nestoriosy mantsy dia nampianatra fa miara-misy ireo natioran'i Kristy roa ireo nefa misaraka. I Kirilosy avy any Aleksandria dia nandray anjara mavitrika tamin'ny fanapahan-kevitra tamin'io konsily io. Nitsipaka io fanapahan-kevitry ny konsily io ireo Fiangonana nestoriana sady nisaraka tamin'ny Fiangonan'ny Empira.
 
=== Ny Konsily tao Kalkedona (taona 451) ===
Ny Konsily tao Kalkedona no nanambaràna ny fananan'i Jesosy fomba (na natiotra) roa, dia natioran'Andriamanitra sy natioran'olombelona. Io no konsily fahefatra. Izany konsily izany no nanoherana an'i Eotikesy, izay nampianatra fa nifangaro ka tsy azo avahana ao amin'ny natioran'Andriamanitra ny natioran'olombelona ao amin'i Kristy. Heverin'ny tao amin'ny konsily ho fampianaran-diso izany fampianarana izany izay nataony hoe ''[[monofizisma]]''. Ny emperora Teodosio II no nampanao io konsily io. Nivoaka tamin'izany ny [[Fiekem-pinoan'i Kalkedona|Fanekem-pinoanan'i Kalkedona]].
 
Nitsipaka izany ireo izay nihevitra fa izany fisianana natiora roa miavaka izany dia fanoherana ny maha iray ny personan'i izay nambaran'i Kirilosy avy any Aleksandria sy nambaran'ny konsily tao Efeso. Nandray anjara betsaka tamin'izany konsily izany i Flaviano avy any Konstantinopoly sy i Leo I avy any Roma. Manda ny fanapahan-kevitr'io konsily io koa ireo Fiangonana atao hoe "monofizita" izay tsy manaiky ny fananan'i Kristy natioran'olombelona.
 
== Ireo konsily efatra manaraka ==
 
=== Ny Konsily faharoa tao Konstantinopoly (taona 553) ===
Nanamafisana ny fananan'i Kristy natiora roa ny Konsily faharoa tao Konstantinopoly ka nambara fa sady olona no Andriamanitra i Kristy. Io no konsily fahatelo. Nohelohina ny asa soratra manohana ny [[nestorianisma]]. Ny emperora Jostiniano no nampanao azy ary ny patriarka Eotikiiosy avy any Kostantinopoly no nitarika azy. Ny mba hanamafisan'ny Fiangonana ny fanamelohany ny soratry ny teolojiana telolahy, dia i Teodora avy any Mopsoesto sy i Teodoreto avy any Kira ary i Ibasy avy any Edesa, tamin'ny taona 553. Tsy tratra ny tanjon'ny emperora Jostiniano izay nikendry ny hampîhavana ny Kristiana kalkedoniana sy ny Kristiana monofizita ao amin'ny tapany atsinanan'ny empira.
 
=== Ny Konsily fahatelo tao Konstantinopoly (taona 680 sy 681) ===
Nambara tamin'ny Konsily fahatelo tao Konstantinopoly fa manana sitrapo roa i Kristy amin'ny maha olombelona sy Andriamanitra azy, dia sitrapon'olombelona sy sitrapon'Andriamanitra. Io no konsily fahenina. NohelohinaNy nohoemperora izanyKostantino ilayIV ataono hoenampanao io konsily io mba handaminana ny tsy fifanarahan-kevitry ny Fiangonan'i Kostantinopoly sy ny Fiangonan'i Roma nateraky ny atao hoe [[Mônôtelisma|monotelisma]]. Nohelohina noho izany ilay atao hoe monotelisma izay milaza fa i Kristy dia tsy manana afa-tsy hery iray sy sitrapo iray, dia ny sitrapon''Andriaanitra, na dia manana natiora roa aza.
 
=== Ny Konsily faharoa tao Nikea (taona 787) ===
Ny Konsily faharoa tao Nikea dia natao mba hanamelohana ny fanimbana sary masina izay nomena ny anarana hoe ''ikonoklasma''. Io no konsily fahafito. Ny mpomba ny fanimbana ny sary masina dia nilaza fa mifanohitra amin'ny fivavahana kristiana marina ny fampiasana sary hanehoana an'i Kristy sy i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] sy ireo olomasina hafa. Nandresy tamin'izany konsily izany ny mpomba ny fampiasana ny sary masina (atao hoe ''ikonodola''). Nekena ny fanajana ny sary masina.
 
I Irena Ateniana (grika: Ειρήνη η Αθηναία / ''Eirênê ê Athênaia'') no nampanao io konsily io. Izany konsily izany dia nanapaka fa ny voninahitra omena ny sary masina dia tsy ho an'ilay sary fa ho an'ny zavatra asehon'ilay sary. Navahana ny atao hoe adorasiona, izay tsy tokony hatao afa-tsy amin'Andriamanitra, sy ny venerasiona, izay atao amin'ny sary masina na amin'ny sisan-javatra avy amin'ny olo-masina efa maty na amin'ny olo-masina mba hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra. Nohelohina ho toy ny mpanda ny fahatongavan'Andriamanitra ho nofo ny mpanimba sary masina (''ikonoklasta'').
 
=== Ny Konsily fahefatra tao Konstantinopoly (taona 869 sy 870) ===
28 236

modifications