Bokin' ny Ekleziastika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Sora-matevina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny [[Bokin'ny Ekleziastika|'''Bokin'ny''' '''Ekleziastika''']] na [[Bokin'ny Ekleziastika|'''Fahendren'i''' '''Bena''' '''Siràka''']] dia boky ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] ao amin'ny [[Baiboly katolika]] sy [[Baiboly ortodoksa|ortodoksa]] izay voasokajy ho isan'ireo bokim-pahendrena. Ny lohahevi-dehiben'ny boky dia ny Fahendrena izay anaovan'ny mpanoratra fitanisana ohabolana sy famelabelarana voalamina. Ny fatahorana an'Andriamanitra no fisehoan'izany Fahendrena izany. Izany dia nataon'ny mpanoratra mba hanoherany ny fihanaky ny kokontsaina grika (indrindra ny filozofia) izay mila hanototra ny kolontsaina sy ny fivavahana jiosy nolovana tamin'ireo razana. Ny Fahendrena dia sady reny no vady no anabavy ka ny fikatsahana azy dia fikatsahana an'Andriamanitra ary ny fiainana miaraka aminy dia fiainana miaraka amin'Andriamanitra.
 
I Jesoa zanak'i Siràka (hebreo: ''Yeshua ben Sira'') no hoe nanoratra an'io boky io tamin'ny fiteny hebreo. Ny zafikeliny no nandika an'ilay boky ho amin'ny fiteny grika.