Tsy feteza-maty: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Finoana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-1:
Ny t'''sy feteza-maty''' na '''tsy fahafatesana''' dia ny fahavelomana tsy manam-petran'ny fanahin'olombelona aorian'ny fahafatesan'ny vatany. Izany dia endriky ny fiainana izay tsy azon'ny fahafatesana na fiainana aorian'ny fahafatesana ara-batana na ara-panahy, ka mety vao-janahary izany na amin'ny heviny am-panoharana na amin'ny lafin-javatra hafa. Isan'ireo lohahevitra iadian-kevitra sady tsy ifanarahan'ny maro amin'ny tantaran'ny olombelona na amin'ny lafiny antropolijika na ara-pinoana sy fivavahana na amin'ny lafiny kolontsaina izany. Ny fampianarana ny amin'ny tsy feteza-matin'ny fanahy dia iraisan'ny fivavahana maro. Miseho amin'ny endrika maro anefa izany arakaraka ny kolontsaina, ka mety ho fahaveloman'ny fanahin'olombelona amin'ny farany izany na miaraka amin'ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan'ny tena]] amin'ny maty.
 
Ao amin'ny [[hindoisma]] dia ny fiteleman'ny "fanahy itambaran'ny zavatra rehetra" ny fanahin'olomblona no tanjona farany. Ny fampianaran'ny [[bodisma]] dia mampanantena ny nirvana, dia ny fahasambarana fara tampony noho ny fanjavonan'ny maha olona miavakaizy ny olona tsirairay. Ao amin' ny fivavahana tao Egipta tamin'ny [[Andro Taloha]] dia miankina amin'ny fitsaran'ireo [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] ny fiainan'ny olona no ahazoana na tsia ny tsy fahafatesan'ny fanahy. Ao amin'ny [[fedrà]] grika dia litohymitohy ao amin'ny fanjakana ambanin'ny tany atao hoe [[Hadesy]] ny fisian'ny fanahin'olombelona
 
Ao amin'ny [[jodaisma]] sy ny [[finoana silamo]] ary ny [[fivavahana kristiana]] dia nampanantenaina ny tsy fahafatesan'ny fanahin'olombelona no nampanantenaina aloha. Miavaka ami'ny jodaisma ny fivavahana kristiana sy silamo satria mampianatra fa aorian'ny fitsanganan'ny tena ho velona sy ny fitsdarana[[Fitsarana farany|fitsarana]] ny olombelona rehetra dia hitambatra amin'ny vatana ny fanahy ka hahazo ny valin'ny natao izay mety ho valisoa na fanamelohana. Ao amin'ny jodaisma dia amin'ny fiavian'ny [[Mesia]] no hisehoan'ny fiverenan'ny fanahin'olombelona ho velona indray.
 
<br />